Trangam-piaraha-monina
IMERINTSIATOSIKA : Ravan’ny Zandary ireo tambajotran-jiolahy mpanao fanafihana
Andian-jiolahy nampitondra faisana tao amin’ny Kaominina Imerintsiatosika miisa 10 no indray ravan’ny Zandary. Tsy vitan’ny nahatrarana fitaovam-piadiana mahery vaika izy ireo, fa mbola nisy koa rongony sy entana halatra sarona, ny afakomaly lasa teo.

Ravan’ny zandary ny andian-jiolahy mahery vaika nampitondra faisana tany amin’ny Kaominina Imerintsiatosika sy ny manodidina iny, ny 17 oktobra lasa teo. Raha ny nambaran’ny avy ao amin’ny Tobim-paritry ny zandarimaria Imerintsiatosika dia nampihorohoro amin’ny resaka vaky trano sy fanafihana mitam-piadiana izy ireo. Tratra tamin’izany ireo entana isan-karazany ary sarona tao an-trano ny rongony 3 kg. Ankoatra ireo, mbola nahitana fitaovana toy ny basy poleta vita gasy iray miaraka amin’ny bala miisa sivy miampy tranom-bala miisa roa. Nanampy ireo ny « barre à pince » sy antsilava, fampiasan’ireo jiolahy rehefa mamaky trano. Amin’ny maha fikambanan-jiolahy azy ireo, dia misy roa amin’izy ireo no mpamatsy bala. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo mpiray tendro amin’ireto jiolahy any amin’ny faritra Imerintsiatosika sy Arivonimamo iny. Nomena baiko kaomandin’ny kaompania hanara-maso akaiky ny famotorana sy hampahafantatra mialoha ny tomponandraikitra ao amin’ny Fitsarana mikasika io asan-jiolahy sarona io.
Basy vita gasy 81 sarona…

Isan’ny mahatonga ny tsy fandriampahalemana ny fiparitahan’ny basy eny am-pelatanan’ny jiolahy. Mitohy hatrany ny fanentanana tanterahina miaraka amin’ireo tomponandraikitra ifotony, tahaka ny solombavambahoaka, ben’ny Tanàna, sefom-pokontany, ny amin’ny famerenana ireny basy miparitaka sy tsy nahazoana alalana ireny. Nisy, araka izany, ny vokatra azo tao amin’ny Kaominina ambanivohitra Nasandratrony, distrikan’ Isandra. Noraisin’ny Kaomandin’ny vondron-tobim-paritry Matsiatra Ambony tany an-toerana ireo basy ireo ary natrehan-dRamatoa Depiote voafidy tao Isandra, izay mitsinjara ho toy izao. Basy vita gasy miisa 81 ka basilava ny 29 ary miendrika poleta kosa, ny 52.
Marihina fa nidera ny ezaka vitan’ny zandarimaria ny depiote sy ny ben’ny Tanàna, indrindra ireo vahoaka. Nanome toky izy ireo fa hanohy hatrany ny fanentanana sy ny fiaraha-miasa. Na eo aza ireo vokatra ireo, mbola nohamafisina hatrany ny fanentanana. Notsindrina mafy ny baiko ny amin’ny hampihorohorona ireo mpanao ratsy sy ny mpitsikombakomba amin’ izy ireo, indrindra ireo « Mpimasy « .




