Non classé

Fahasarotan’ny fitsaboana Covid-19 : Anisan’ny maha-sarotra izany ny fisian’ny diabeta sy ny tosi-dra

Maro amin’ireo olona namoy ny ainy, na mbola manaraka fitsaboana amin’ny Covid-19 ny olona voan’ny diabeta sy manana olana amin’ny tosi-dra. Araka ny efa voalaza dia anisan’ny mamparefo ilay marary ny fisian’ireo aretina ireo. Maro ny tsy mahalala akory fa mitondra ny aretina diabeta izy, raha tsy efa amin’ny fotoana itondrana ny marary eny amin’ny dokotera. Anisan’izany ohatra i R. Dadah, monina eny Analamhitsy, izay voan’ny Coronavirus tamin’ny fotoana tsy nampoizina. « Nibata rangahy antitra mpiray tanana narary tampoka izahay. Voan’ny Coronavirus izy io fa izahay tsy nahalala, ka izay no namindra ahy. Tao anatin’ny andro vitsy anefa dia narary aho, ary tsy nihevitra ho tratran’ny Covid-19 satria matanjaka tsara. Rehefa teny amin’ny dokotera anefa vao hita fa hay misy diabeta ny tenako, ary misy tongotra iray efa hoaniny amin’izao. Reraka avy hatrany tratran’ny Coronavirus, ary nihetsika ilay diabeta », hoy ny fitantaran’i Dadah. Manaraka fitsaboana mandritra ny 15 andro i Dadah. Araka ny filazany, ny fitsaboana ilay diabeta no anisan’ny sarotra ihany koa, ary mandany vola satria vidiana ny fanafody fa tsy anisan’ny iantohan’ny fanjakana. Nilaza izy fa efa an-tapitrisany ny vola laniny amin’ny fanafody sy ny fivezivezena satria any an-trano no mitsabo tena, ary ny vadiny dia voan’ny Coronavirus ihany koa, ka izy mianakavy kely ao an-trano no indray manaraka fikarakaram-pahasalamana isan’andro..

Tsy mahavantana ny Malagasy ny manao fizaham-pahasalamana
Anisan’ny olana eo amin’ny fiaraha-monina ny tsy fahazaran’ny olona manao fizaham-pahasalamana na « visite médicale ». Na eo amin’ny orinasa aza, mbola vitsy ny manao ny « fizaham-pahasalaman’ny orinasa », ka tsy mahalala akory ny toe-pahasalamany na anisan’ny marefo izy na tsia. Na hatrany amin’ny mpiasam-panjakana aza, vitsy ny manao izay fizahana izay. Mazava ho azy fa ny manao asa tena, asa tanana sns dia tsy hanana eritreritra hanao izany mihitsy. Sarotra ho an’ny olona, na ho an’ny orinasa, noho izany, ny hamantatra ny tenany na ny mpiasa ao aminy raha anisan’ny marefo izy na tsia. Toe-javatra toy izany no tsy nahalalan’i Dadah fa mitondra ny aretina diabeta izy, raha tsy efa voan’ny Covid-19.
Olana iray mbola lavitr’ezaka ny momba izany ho an’ny vahoaka, kanefa tena ilaina tokoa raha sendra vanim-potoana tahaka izao. Na izany aza, amporosihina hatrany ny olona hanao fizaham-pahasalamana raha misy ny tsy azoazo, araka ny fanentanana ataon’ny tompon’andraikitry ny CCO matetika. Misy ny CSB II, ny hopitalim-panjakana azon’ny rehetra anantonana. Eo ihany koa ny fitazan-tena amin’ny sakafo, satria anisan’ny mahabetsaka ny Malagasy taizan’aretina dia noho ny sakafo tsy ara-dalàna ihany. Tompon’andraikitra amin’ny fahasalaman’ny tenany ny tsirairay, indrindra amin’izao ady amin’ny Covid-19 izao.

Tags
Fermer