PolitikaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

KERE ANY ATSIMO: Hatsangana ny angon-toro momba ireo mponina

Tsy nijanona tamin’ny fidinana ifotony voalohany niarahana tamin’ny Filohan’ny Repoblika fotsiny ny Fitondram-panjakana fa mitohy amin’ny fijerena akaiky ireo olana ianjadian’ny vahoaka ao amin’ny tapany atsimon’ny Nosy. Ny Filoha rahateo efa nilaza fa ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny Kere any Atsimo indray no hifotoran’ny Fanjakana, amin’izao fotoana izao. Mambra ny Governemanta maromaro no midina any an-toerana nanomboka omaly.

Vita sedra i Madagasikara, hoy ny Filoha, taorian’ny niatrehana ny valanaretina Covid-19 teto amintsika. Ho mora kokoa, hoy izy, ny miatrika ireo fahavalo maro samihafa mandalo eto amin’ny firenena satria betsaka ireo traikefa sy fahalalana azo tamin’ny fitantanana ny Covid-19, izay nahitana fahombiazana. Nisy, noho izany, ny fanirahan’ny Filoham-pirenena minisitry maromaro eo anivon’ny Governemanta, hanohy ny fanadihadiana momba ireo mponina iharan’ny Kere any Atsimo. Hetsika izay tafiditra ihany koa amin’ny fanomanana ny fametrahana ny “Centres de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale” efa voaresaky ny Filoha, ombieny ombieny. Araka izany, isan’ny vain-dohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny hanangana “Base de donées” na angon-toro mahakasika ireo mponina iharan’ny Kere. Angon-toro izay toy ny efa natao tamin’ny CoviData tamin’ny fotoana nampirongatra ny Covid-19 teto Antananarivo. Izany no natao, dia mba hanatsarana sy hanamafisana ny fitantanana ny fandraisana an-tanana ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny kere any amin’ny faritra atsimon’ny Nosy. Hatao ihany koa izany mba hahafahana mitantana, araka ny tokony ho izy, ireo fanampiana sy fanohanana ataon’ny Fitondram-panjakana ho an’ireo tena marefo.

Minisitra enina

Minisitra enina no mifandrimbona amin’izao fidinana ifotony atao izao. Isan’izany ny minisitry ny Mponina, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny vehivavy, ny minisitry ny Fahasalamambahoaka, ny minisitry ny Rano, fidiovana sy fanadiovana, minisitry ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny minisitry ny harena an-kibon’ny tany sy ny loharanon-karena stratejika, ary ny minisitra lefitra misahana ny toeram-ponenana sy ny tanàna vaovao. Araka izany, nametraka lamina hahafahana mijery sy manara-maso ireo izay tena marefo ireo tompon’andraiki-panjakana tonga tany an-toerana, misy koa fiarahamiasa amin’ireo mpanentana ara-piarahamonina. Faritra sy toerana maro no nojerena, toy ny tao Amboasary, Ambovombe, Tsihombe, Anjampaly, Ampanihy, Beloha, sy ny sisa koa. Nisy koa fanomezana nomena avy hatrany ireo “cas grave” sy “cas severe”, hoy ny fampitam-baovao.

Tetikasa « REEPS »

Nandritra izao fidinana ifotony izao, tokantrano maro no nisitraka ny fanampiana vonjimaika, toy ny vary sy voamaina, avy amin’ny Minisitry ny Mponina, Angelica Michelle tao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Anjampaly, Distrikan’i Tsihombe. Teo ihany koa ny fijerena ny fotodrafitrasa ho vahaolana maharitra hiadiana amin’ny Kere teto amin’ny Kaominina, dia ny « REEPS ». Ity farany izay tetikasa hiarahan’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Catholic Relief Services (CRS) miompana amin’ny fametrahana fitahirizan-drano fisotro madio milevina ambanin’ny tany izay hampiasana ny « géo-membrane”, mahatahiry rano manodidina ny 450 metatra toratelo, ary azo ampiasaina avy hatrany manomboka ny voalohan’ny volana Novambra. Nisy koa ny fijerena ireo olan’ny mponina amin’ny fitaovana fanjonoana sy fanaratoana.

Fermer