Politika

FIVAROTANA TANY TSY ARA-DALANA: Tany miisa 09 naverina ho an’ny tanànan’Antananarivo

102 no isan’ny tanin’ny Kaominina manerana an’Antananarivo izay tafiditra anatina disadisa ara-pitsarana amin’izao fotoana izao, hoy Randrianarison Chantal, mpanolotsain’ny tanana IRK, sady Filohan’ny vaomieran’ny Vakoka, Kolontsaina, ary ny Fizahantany eo anivon’ny mpanolontsain’ny tanàna. Ity tompon’andraikitra ity izay nilaza koa fa misy tany 11 eto Antananarivo naverin’ireo olona voalaza ho tompon’ny tany ho an’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra. Tafiditra tao anatin’ny “vente illicite” na fivarotana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna ny tanin’ny kaominina mantsy ireo tany ireo, tany amin’ny taona 1998. Ny sivy tamin’ireo dia naverin’ireo nampiasa azy ampahatsorana, tsy nisy fifanarahana, izany hoe, “restitution des titres” no natao. Antaninarenina, Isoraka, Ankadifotsy Behoririka, Mahavonjy Antsonjombe, Behoririka Epp, Analamahitsy, Avaradoha Florida, no toerana misy ireo tany ireo.

Nandoa onitra hanaovana ny tsena R+4

Ankoatra izay, nisy tany roa hafa izay efa niova tanana indroa, dia ny Villa Angèle 2 ao amin’ny Kaominina Tanjombato, sy ny tany ao Anosizato. “Eo am-pampiasana ny tany izy ireo no nahatsapa tsy fahatomombanana, sy zavatra tsy araka ny tokony ho izy. Nanatona ny Kaominina izy ireo ary nisy fifanarahana indray natao. Nisy, noho izany, ny Convention niarahana, ka novidian’izy ireo ny tany”, hoy ny fanazavana. Tsara ho fantatra fa samy hafa ny vidin’ny tany, arakaraka ny toerana misy azy. “Ny iray 450 000Ariary ny metatra tora-droa, ny iray 250 000Ariary ny metatra tora-droa”, hoy hatrany ny fanazavana. Ankoatra izay, misy onitra aloan’ireo olona ireo koa amin’ny fanamboarana ny tsena R+4 eo Behoririka. Izany hoe, tsy misy fatiantoka ho an’ny Kaominina mihitsy io fifanarahana io. Satria sady mampidi-bola ho an’ny Kaominina, no mampisitraka fotodrafitrasa. Raha tsiahivina, nisy mpanolontsain’ny tanàna vitsivitsy nanao fanambarana izay nilaza fa tetika nentina hamarotana ireo tanin’ny Kaominina amin’ny vahiny no ao ambadiky ny fampandaniana ny fanarenana ny tsena misy rihana ao Behoririka. Tsy mitombina, noho izany, io fanambarana io, fa famerenana ny rehetra amin’ny ara-dalàna no natao.

Fananganana fotodrafitrasa

Velirano voalohany sy fahatelo nataon’ny Ben’ny tanàna, ny fikatsahana izay mahasoa ny mponina, sy ny fijerena akaiky ireo tsena, izay fototry ny fampandrosoana ny tanàna. Izany no nanekena ny fananganana ny fotodrafitrasa maromaro nandritra ny lahadiniky ny mpanolotsaina, hoy ity tompon’andraikitra ity. Isan’izany ny fampiakarana ny tsena “Zay Maika” ao Analakely, rihana efatra eo Behoririka, rihana efatra hatsangana eo amin’ny parking Senat, fanaovana rihana iray amin’ny tsenan’I Coum, fotodrafitrasa eny akaikin’ny Makis Andohatapenaka. Nekena koa ny fananganana ny Bloc Sanitaire 50 isa. Ankoatra izay, nankatoavina ny fametrahana fotodrafitrasa iray hametrahana “crèche”, ao amin’ny Lapan’ny Tanànan”Antananarivo. Hatsaraina ny Kianjan’Ambohijatovo, ary asiana “Parc Botanique”. Niaiky ny avy eo anivon’ny Kaominina fa tsy vita moramora ny fanarenana satria efa an-taonany maro ny olona no zatra niaina tao anaty gaboraraka. Fotoana izay nilazany fa efa mandeha ny formation des formateurs momba ny « Code Municipale d’Hygiène”. « Tsy natao ampitomboana ny kitapom-bolan’ny CUA ny CMH fa natao hampitandremana », hoy ny fanazavana.

Fermer