SamihafaSosialy
FANADINANA BAKALOREA: Hentitra ny fampanajana ireo fepetra ara-pahasalamana
Nizotra tam-pilaminana tanteraka omaly ny fiatrehan’ireo mpiadina ny fanadinana Bakalorea teto amintsika. Nanaraka soa aman-tsara ireo fepetra efa napetraka avokoa ny fizotry ny fanadinana rehetra, rah any andro voalohany…
Tsy nisy ny olana tamin’ny fiatrehana ny fanadinana Bakalorea teto Madagasikara, tamin’ny andro voalohany, omaly. Tsiahivina fa miisa 164 341 ireo mpikatroka manerana ny nosy tamin’ity taona ity. Omaly vao mangirandratsy dia tonga nankahery sy nijery ifotony, ny fanombohan’ny fanadinana ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Tamin’ny dimy ora maraina dia efa tonga nitsidika ny teny amin’ny Lisea Analamahitsy ny delegasionina notarihin’ny Minisitra, ny Pr Elia Béatrice Assoumacou, ka nankahery sy nirary soa sahady ireo mpiadina. Ankoatra izay, anisan’ny foibem-panadinana notsidihan’izy ireo ihany koa ny Lycée Technique Professionnel Ampefiloha, ny CEG Tsimbazaza, ny Lycée Gallieni teny Andohalo ary ny tao amin’ny Lycée Moderne Ampefiloha. Ho an’ity farany manokana, 54 tamin’ireo mpiadina voasoratra anarana tao an-toerana ihany no tsy tonga niatrika ny fanadinana. Nandritra io fidinana ifotony io no nanamafisan-dramatoa Minisitra fa ilaina hatrany ny fametahana ny arotava sy ny fanajana ny elanelana mba hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina. Nisy ihany koa, ny fankaherezana ireo tompon’andraikitra rehetra teny anivon’ireo toeram-panadinana teto an-drenivohitra. Ireo mpikambana rehetra tao amin’ny kabinetra sy ireo tale tao amin’ny ministera kosa, nisahana ny fanaraha-maso nanerana ny Nosy. Anisan’ny nanotrona ny teo anivon’ny delegasionina notarihin’ny Minisitra, ny Pr Elia Béatrice Assoumacou, nandritra ireo fidinana ifotony ireo ihany koa, ny Filohan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ireo mpiara–miasa aminy.
Mpiadina valo nitondra ny tsimokaretina coronavirus…
Nandritry ny fidinana ifotony nataon’ny solotenan’ny minisiteran’ ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa omaly tany amin’ny Distrika Ihosy, nisy ny mpiadina niisa valo voamarina fa nahitana ny tsimokaretina Coronavirus tao an-toerana. Ireo mpiadina ireo izay hita taorian’ny fampiharana ireo fepetra rehetra nentina nisorohana ny fiparitahan’ny Covid-19 teny am-pidirana ny foibem-panadinana. Araka ny fepetra izay noraisin’ny teo anivon’ny ministera kosa, mba tsy hisian’ny fikorotan-tsain’ireo mpikatroka sy hahafahan’ireo mpiadina voamarina fa mitondra ny tsimokaretina manantontosa hatrany ny fanadinana, dia nisy ny fanokanana efi-trano azy ireo, izay natao isaky ny foibem-panadinana. Afaka manatanteraka ny fanadinana noho izany ireo mpiadina ireo ary misy ny fanaraha-maso atao mandritra ny fanatontosana izany. Io fanapahan-kevitra io izay noraisina mba tsy hamerenan’ireo mpiadina mitondra tsimokaretina ireo ny fanadinana .amin’ny taona manaraka indray, sy tsy hampisy fahatarana amin’ny fianaran’izy ireo. Ary tsy tany amin’ny Distrikan’Ihosy irery ihany fa nampiharina manerana ny Nosy mandritra ny herinandro hisian’ny fanadinana io fepetra io, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny minisitera.




