Non classé

FIZARANA FANAMPIANA: Tsy miandry ny fahavitan’ny « Digitalisation »

Anisan’ny vaovao lehibe nambaran’ny Filoham-pirenena, nandritra ny fandaharana manokana, nataony ny Alahady teo, ny mahakasika ny “Digitalisation”, na fidirana amin’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra amin’ny fomba fiasa eny anivon’ny Fokontany. Nambarany nandritra izany fa hohavaozina daholo ny karinem-pokontany rehetra manerana an’i Madagasikara. Ary ho asina ireny “QR Code”, na ilay antsoina ihany koa hoe “Code Barre” ireny ny karatra tsirairay, ka voarakitra ao avokoa ny mombamomba ilay tokantrano sy ny olona mipetraka ao aminy, miaraka amin’ny laharan’ny karine. Ho fanatanterahana izany, araka ny efa nolazain’ny Filoha rahateo, nisy fivoriana natao omaly, tetsy amin’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, niarahan’ireo mpikambana eo anivon’ny Governemanta vitsivitsy, niaraka tamin’ny teo anivon’ny Faritra Analamanga, ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mahakasika ny fidirana amin’ity “Digitalisation” ity. Voaresaka nandritra izany, ny tokony hametrahana ny “Base de donnée” ho an’ny olona rehetra eny anivon’ny fokontany tsirairay avy..
Misy fanadihadiana atao
Noho izany, noho ny Hamehana sy ny fandaminana samihafa mbola tsy maintsy atao, nilaza ireo tompon’andraikitra, nivory omaly, fa tsy hampiandrasina ny fahavitan’io “Digitalisation” io ny fanohizana indray ny fizarana ny fanampiana “Sosialim-bahoaka”. Araka ny fanazavan’ny Minisitra Ravokatra Fidiniavo, vinavinaina ho amin’ny alarobia izao no hanomboka indray ny fizarana, indrindra ny amin’ireo toerana efa nahavitana tanteraka ny fakana ny lisitra. Marihana fa mbola tsy nisy lamina manokana amin’ny fomba hizarana ny fanampiana hatreto. Etsy ankilany, mbola mitohy hatrany koa ny fakana ny lisitra isan-tokantrano. Nilaza ny Governoran’ny Faritra Analamanga fa tsy voatery izay rehetra voasoratra ao anatin’ny lisitra akory no hisitraka ny fanampiana, satria misy ny fanadihadiana atao amin’ilay tokantrano. Efa voalaza ombieny ombieny rahateo, fa ireo izay tokantrano tena marefo sy sahirana no tokony hahazo ny fanampiana, indrindra ireo izay mbola tsy nahazo mihitsy ny fanampiana toy ny “Vatsy Tsinjo” andiany voalohany sy ny “Tosika Fameno”. Ireo tompon’andraikitra ireo izay nanamafy fa mbola hatao peta-drindrindra eny anivon’ny Fokontany avokoa ny lisitr’ireo hahazo ny fanampiana, ka afaka mitondra fanamarihana amin’izany ireo izay hanao fitarainana. Aorian’izay rehetra izay vao hirosoana ny fizarana.
Tsy mitovy amin’ny fanisam-bahoaka teo aloha
Nandritra ny fotoana, omaly, no nanazavan’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany sy ny Loharano stratejika, Ravokatra Fidiniavo, fa tsy mitovy amin’ny fanisam-bahoaka teo aloha, efa nataon’ny Instat sy ny tamin’ny fotoan’ny RGPH 3 ity atao ankehitriny ity. Nolazainy fa ireny natao teo aloha ireny dia fakana isa fotsiny ihany fa tsy misy fanadihadiana atao ankoatra izay. Tsy fandravana ireny anefa akory no atao ankehitriny, fa fanamafisana fotsiny ihany. Satria amin’izao fanisana isan-tokantrano izao dia misy mihitsy fanadihadiana atao amin’ny mombamomban’ny tsirairay amin’ilay tokantrano, ny loham-pianakaviana, ny asan’ny tsirairay sy ny sisa, hoy hatrany ny fanavazana.

Tags
Fermer