Politika

FIFIDIANANA LOHOLONA: « Tsy manao amboletra ny Fanjakana », hoy Razanamahasoa Christine

Mbola hifotoran’ny adihevitra eto amin’ny tany sy ny firenena ankehitriny ny firosoan’ny Fanjakana amin’ny fifidianana Loholon’I Madagasikara, amin’ny 11 Desambra izao. Naneho ny heviny mahakasika izany ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, omaly, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimiera. Nolazainy fa tsy misy mihitsy amboletra ataon’ny Fanjakana amin’ny firosoana amin’ny fifidianana Loholona. Notsorin’ity tompon’andraikitra ity fa filam-boatsihary ny ataon’ny olona sasany eto amin’ny firenena. Ary sahin’izy ireo mihitsy no manararaotra ny fahangin’ny ankilany, ka hilazana fa tsy manara-dalàna ny Fanjakana. Tsy maintsy miroso ny raharaham-pirenena, hoy Razanamahasoa Christine. Nambarany ilaina ny fanehoan-kevitra sy ny hevitra samihafa eto Madagasikara, saingy ilana fifanajana izany, mba tsy hisian’ny korontana.

Efa mandeha ny asa fampandrosoana

Ireo izay minia mikipy ihany no mbola tsy mahita ny asa fampandrosoana rehetra efa mandeha eto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ity tompon’andraikitra ity. Efa madiva ho tanteraka, hoy izy, ny fanaovana an’I Madagasikara ho “Chantier”, araka izay efa nilokalokan’ny Filoham-pirenena, amin’ny fanaovana fotodrafitrasa. Christine Razanamahasoa, izay nisaotra sy ny nidera ny Fitondram-panjakana, tamin’ny anaran’ny Antenimierampirenena,  tamin’ny nifehezana ny valanaretina Covid-19. Mbola nankasitraka ihany koa ny Fanjakana, tamin’ny fitodihana any amin’ireo mpiray tanindrazana ianjadian’ny Kere any Atsimo. Tsy mbola nisy fitondrana teto amintsika nijery manokana sy nitondra vahaolana maharitra ho an’ny Kere,  hoy izy , raha tsy izao Fitondrana izao.

Fermer