Politika

ANTENIMIERAMPIRENENA : Hiroso amin’ny « Dématérialisation »-n’ny asam-baomiera

Sady manafaingana ny asa atao no mitandro ihany koa ny fahadiovana sy ny filaminana ny firosoana amin’ny fampiasana teknolojia amin’ireo karazana asa rehetra atao eo anivon’ny Antenimierampirenena. Hisantatra izany ireo asam-baomiera isan-tsokajiny atao amin’izao fivoriana ara-potoana faharoa eo amin’ireo parlemantera izao. Izany dia tafiditra ao anatin’ny « Plan Stratégique de l’Assemblée Nationale », hoy ny Filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine. Io drafitra io izay manana tanjona ny hahatonga ity Andrimpanjakana ity ho « Matanjaka », “Demokratika », ary akaiky kokoa ny vahoaka. Manomboka izao, noho izany, ireo depiote dia nentanina hitondra « tablette » rehefa fotoam-pivoriana, mba hahafahana misantatra izany. Tsara ho fantatra fa efa nalefa tany anivon’ireo mpamatsy vola, ny fahefana mpanatanteraka, ary ireo masoivoho rehetra monina sy miasa eto amintsika io  « Plan Stratégique de l’Assemblée Nationale », hoy ny fanazavana. Fanatsarana ny fitantanana sy ny fandraharahana ankapobeny eo anivon’ity Andrimpanjakana ity no tena tanjona.

Fermer