Songadim-baovaoToekarena

FANODINANA VOKATRA MALAGASY: Indostria iray isaky ny distrika no tanjon’ny Fanjakana

Mbola maro ireo Malagasy no tsy mahalala akory ny vokatra efa vokarina sy mbola azo vokarina eto amintsika, hoy ny sendikan’ny Indostria eto Madagasikara. Ilaina, noho izany, ny fampiroboroboana ny sehatry ny Indostria eto Madagasikara. Asa izay tsy vitan’ny Fanjakana samirery fa tsy maintsy hiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina. Ny Fanjakana rahateo manana ilay vina “One District, one Factory”, na ODOF, izay miompana amin’ny fananganana indostria isaky ny distrika eto Madagasikara.

Velirano fahafiton’ny Filoham-pirenena ny fananganana indostria eto Madagasikara. Efa miroso amin’ny fahatanterahany izany ankehitriny, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Indostria, Varotra, sy ny asan-tanana (Mica). Ho antsika eto Madagasikara manokana, tombony lehibe ny fananana ireo mpisehatra efa matihanina eo amin’ny tontolon’ny indostria, izay afaka mifanome tanana rahateo koa amin’ny Fitondram-panjakana, amin’ny fahatrarana io tanjona io. Izy ireo izay mivondrona ao amin’ny « Syndicat des industries de Madagascar » na ny SIM. Nisy, noho izany,  ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny roa tonta, amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto Madagasikara. Ny Fanjakana rahateo, amin’ny alalan’ny Mica dia manana ilay fandaharanasa “One District, one Factory” (ODOF), na indostria iray isaky ny distrika iray. Izany izay mifanindra an-dalana ihany koa amin’ny fampiroboroboana sy ny fanomezan-danja ny vokatra sy ny vita malagasy, manomboka ato amin’ny tsena anatiny.

Label “Malagasy Ny Antsika”

Nanambara ny minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny asan-tanana, Rakotomalala Lantosoa, fa efa nisy hatrany indostria teto Madagasikara nandritra ny fotoana ela, saingy tsy voatantana tsara araka ny tokony ho izy, hany ka tsy vitsy amin’izy ireny no tsy mihodina intsony. Ny famerenana indray ireny karazana indostria ireny, noho izany, no anisany tanjon’izao fiarahamiasa izao. Marihana fa ny SIM dia nametraka ny Label “Malagasy Ny Antsika”, izay marika fampahafantarana ireo vokatra vita malagasy, manaraka ny fenitra tokony ho izy. Efa misy mihitsy “Bokin’andraikitra” na Cahier de Charge amin’izany, ka izay mahafeno ny fepetra ihany no hahazo io “Label” io. Mba hahafahana mahatratra sy mahafeno io fepetra takiana amin’ny vokatra malagasy io, dia hisy fizarana traikefa sy karazana fitan-tsoroka ataon’ny SIM, ho an’ireo tanora mpandraharaha any amin’ny distrika tsirairay avy. Izany hoe, ireo tanora efa manana orinasa madinika na salantsalany no hisitraka izany tolotra izany. Na izany aza anefa, nanambara ny teo anivon’ny Mica fa hojerena izay indostria tokony ho laharam-pahamehana isaky ny distrika, miainga amin’izay voka-pambolena sy izay mampalaza ny toerana. Eo anatrehan’izany, tsy azo ihodivirana ny fiarahamiasa amin’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fambelona sy ny Fiompiana ary ny Jono, satria raha tsy misy ny vokatra hahodina dia tsy misy antom-pisiany ny indostria. Omaly, tetsy Anosy, no natao ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa teo amin’ny Mica, tamin’ny alalan’ny Minisitra Rakotomalala Lantosoa, sy ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Filohany, Amiraly Hassim.

Fermer