Politika

BEN’NY TANANA ETO ANALAMANGA: Vonona hampandany ny kandida Loholona avy amin’ny Fanjakana

Mampiavaka ny fifidianana Loholona amin’ny fifidianana rehetra efa nandalo teto amintsika hatrizay ny tsy fandraisana anjaran’ny daholobe, fa ireo mpifidy vaventy ihany, dia ireo ben’ny tanàna sy ireo mpanolontsain’ny tanàna voafidy. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, milaza ho vonona ampandany ny kandida avy amin’ny Fitondrana ny fikambanan’ireo ben’ny tanàna eto Analamanga.

140 no isan’ireo ben’ny tanàna mandrafitra ny Faritra Analamanga. Ny 125 amin’ireo dia efa mivondrona ao amin’ny “Association des Jeunes Maires Analamanga” (AJMA) avokoa. Raha tsiahivina, ny 09 oktobra teo no nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fikambanana. Ary noresahana nandritra izany fa manao politika ny AJMA, ary nilaza ho vonona handrotsa-bato amin’ny fifidianana Loholona amin’ny 11 Desambra izao. Omaly, mbola nohamafisin’ity fikambanan’ny Ben’ny tanàna eto Analamanga ity ny fanohanany ny Fitondram-panjakana, ary nilazan’ireo ny fahavononany hampandany ny kandida avy amin’ny Fanjakana. Tsara ho fantatra fa misy amin’ireto kandida ireto no avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara (Tim), Malagasy Miara-Miainga (MMM), AVI, sy tsy miankina.

Nihaona tamin’ny Governora

Omaly, nisy ny fihaonana teo amin’ny Gouvernoran’Analamanga sy ny AJMA, tetsy Ambohidahy. Fotoana izay nifampidinihan’ny roa tonta ny paika entina hampandrosoana ny Kaominina tsirairay, isaky ny Distrika ato anatin’ny Faritra Analamanga. “Tsy hijerena antoko politika ny fanampiana ny kaominina fa rehefa manana vina te handroso dia tohanana”, hoy Rasoamaromaka Hery, Governoran’Analamanga. Noraisiny ho ohatra tamin’izany ny fahavitan’ny lalana pavé ao amin’ny Kaominina Ambohidrapeto, izay tantanan’ny antoko Tim, saingy nahazo tohana avy amin’ny Faritra Analamanga. Nohamafisiny fa efa betsaka ireo kaominina no nisitraka fotodrafitrasa samihafa, toy ny tsena sy ny lalana pavé. Ny hahafahana mampitovy ny tadin-dokanga sy ny tanjona amin’ny fanatanterahana ny vinan’ny Filoham-pirenena no anisan’ny anton’ny fihaonana omaly.

Fifanampiana eo amin’ny samy ben’ny tanàna

Tsara ho fantatra fa ankoatran’ny resaka politika, isany antom-pisian’ny fikambana (AJMA) ny fifanampiana sy ny fifanomezan-tanana eo amin’ny samy  ben’ny tanàna. Araka ny fanazavana, misy ireo  ben’ny  tanàna no mety efa havanana kokoa amin’ny fitadiavana mpamatsy vola na mpiara-miombon’antoka, dia izay no ilàna ny fifanankalozana ao anatin’ny fikambanana. Tanjona ny hisitrahan’ny kaominina tsirairay fampandrosoana marina eto Analamanga. Ankoatra ny Filoha mpitarika ny fikambanana, dia misy koa filoha mpanampy, isaky ny distrika mandrafitra            ny Faritra Analamanga. Isan’izany ny distrikan’Andramasina, Ankazobe, Ambohidratrimo, Avaradrano, Atsimondrano, Ambohidratrimo.

Fanarahamaso ny Fifidianana Loholona

Manana hatramin’ny alakamisy 26 novambra 2020 ho avy izao farafahatarany ireo rafitra, fikambanana, na fiarahamonim-pirenena manam-paniriana hisehatra amin’ny fanarahamaso manao ny fangatahana badge hahazoana manaramaso ny fifidianana, araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Vaomiera Mahaleo tena misahana ny Fifidianana (CENI).

Fermer