Toekarena

FED ANDIANY FAHA-11: Hampiroboroboana ny fandraharahan’ ireo tantsaha

Vokatry ny fahombiazana tamin’ny fanampiana andian’ny faha-10 avy amin’ny FED ho an’ireo tantsaha, tsy nisasala ireo vahiny tamin’ny fanohizana izany fampivoarana ny mpamboly sy mpiompy malagasy izany indray…

Taorian’ny tosika ara-bola nomen’ny « Fond economique pour le developpement » na ny Fed ho an’ireo mpamboly sy mpiompy nandritra ny andiany fahafolo, maro ireo tantsaha no nahavita nampiroborobo ny asa fihariana teny ambanivohitra. Nanambara ny Tale jeneralin’ny BACE, fa hisy ny tetikasa vaovao andian’ny faha-11 ho tosika ho an’ireo tantsaha eto amintsika, izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina. Mitentina 12 tapitrisa euro io fanampiana io ka natokana hanampiana ireo mpamboly sy  mpiompy eto amintsika, raha ny nambaran-dRaharison Herilalaina, tombonandraikitry ny fandaharanasa eo anivon’ny BACE. Kaominina miisa 50, noho izany,  no hisitraka io tosika sy fanampiana io. Ny eto amin’ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy  hatreto no  voakasik’ity tetikasa « AfafI centre » ity. Io tetikasa io izay efa vita fifanarahana tamin’ny volana aogositra 2019 ary ny  fiantombohan’ny volana novambra hoavy izao no hanambohana azy. Tsy misy, araka izany, ny fepetra fa natao ho an’ny mpamboly sy mpiompy rehetra tsy ankanavaka ny fanampiana.

Tanjona ny tsy hisian’ny hanoanana eny anivon’ny tontolo ambanivohitra intsony, indrindra eo amin’ireo zaza amam-behivavy. Hisy ny fijerena manokana ireo mpamboly legioma, ny famokarana zana-trondro sy fanatavezana azy ireny. Tsy nohadinoina koa ny fiompina tantely sy ny famokarana ronono velona.  Samy hahazo ny anjarany, araka izany, ireo tantsaha rehetra ato anatin’ny Faritra Analamanga sy ny Faritra Itasy. « Hisy ny famatsiana ara-pitaovana ireo mpamboly sy mpiompy ireo ary hahazo fanofanana manokana koa izy ireo. Mampiavaka ity andian’ny faha-11 ity kosa, ny fanampiana ireo tantsaha eo amin’ny sehatry ny fananan-tany », hoy hatrany ny Tale jeneraly BACE .

Nivoatra ireo tantsaha nisitraka ny andiany faha-10

Maro ireo nahazo tombontsoa tamin’ny fanampiana avy amin’ny famatsiam-bola FED andiany faha-10 lasa teo, izay efa niantomboka ny taona 2014 ka nifarana tamin’ity taona ity. Tsiahivina fa ny teo anivon’ny Vondrona eoropeanina ihany no nitantana io famatsiam-bola ny tantsaha io nandritra izany fotoana izany.  Tao ireo nahazo fiofanana manokana mahakasika ny fiompana akoho fakana nofo, toy ny teny Atanantanana Iarinarivo. Araka ny nambaran-dRamatoa Rakotomalala Maminiriana Tantely, izay  solontenan’ireo  nisitraka ny fanampiana tamin’io andian’ny fahafolo io tao an-toerana. Anisany afa-po sy nivoatra tanteraka teo amin’ny sehatry ny fiompiana akoho fakana nofo sy fambolena ny tenany sy ireo mpamboly namany. « Hatramin’ny nahazoanay ny tosika dia nitombo avo roa eny ny tombom-barotra azonay isan-taona », hoy izy. Tsy vitan’izay, fa maro koa ireo fanampiana ara-pitaovana azon’izy ireo ary tena nanampy betsaka tamin’ny famokarana sy ny fiompiana ireo fampitaovana ireo. Ireto farany izay efa nahatsangana fikambanana mihitsy ankehitriny, hahafahan’izy mifampizara sy mitana ny tombontsoa azo nandritra ny fanampiana. Andaniny, anisan’ny nisitraka ny fanampiana sy ny tosika avy tamin’io fanampiana andian’ny fahafolo io koa  Rasoloarison Jean Pierre tao Ambohimanjaka Sambaina. Ho azy manokana,  ny famokarana zana-trondro no tena nifotorany. Tamin’ny telo taona lasa dia zara raha nahatafavoaka zana-trondro 2 000 hatramin’ny 3 000 ny tenany. Ankehitriny kosa, mahatratra 5 000 mahery isan-taona ny zana-trondro vokariny taoriana kely ny fisitrahany io tosika andian’ny faha-10 io. Tetsy ankilany, tsy nijanona tamin’ny famokarana ny zana-trondro ny tenany fa nisafidy hanao ny fiompiana trondro fakana nofo ihany koa. Ankoatra izay, mbola mpiompy tantely izy ary anisan’ny manampy azy amin’ny fidiram-bola koa izany.

 

Fermer