PolitikaSongadim-baovao

MPIASAM-PANJAKANA MATOATOA: Olona 591 haato tsy handray karama intsony

Taorian’ny fitsirihana natao tamin’ny alalan’ny fanatsarana ny Augure, olona 591 no fantatra fa mandray vola nefa tsy miasa ary tsy voaisa ho mpiasam-panjakana ara-dalàna kanefa dia mandray volam-panjakana. Haato tsy handray karama intsony, araka izany, ireo olona ireo manomboka amin’ny faran’ity volana oktobra ity. Ary koa, hiakatra “conseil des Disciplines” izy ireo taorian’io fitsirihana io. Marihana fa ny tatitry ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 21 Oktobra 2020 teo, no nampahafantatra io fanapahan-kevitra noraisin’ny Fanjakana io. Ity tatitra ity izay mbola nanamafy koa ny fisian’ireo olona miisa 7007 mbola eo andalam-panamarinana eo anivon’ny fitantanam-bola ankehitriny. Izao hetsika izao dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ho fanatsarana ny sehatry ny asam-panjakana. Ary fametrahana ihany koa ny Fanjakana tsara tantana eto amin’ny firenena. Raha tsiahivina, fony vao nijoro fotsiny Governemanta, ny taona 2019, ny fanaovana takelaka mena ireo fiaram-panjakana no fepetra noraisin’ny Fanjakana voalohany. Tsy nijanona hatreo fa mbola maro ireo fepetra noraisina hanadiovana ity sehatra ity mba tsy hisian’ny gaboraraka intsony.

Fermer