Politika
ASA FAMPANDROSOANA: Higadona ao Ambatondrazaka ny Filoham-pirenena anio
Mitohy ny asa fampandrosoana. Ho tonga hitsidika ny vahoaka ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka, hijery ny firoson’ny asa fanamboarana ny lalana sy ny Fotodrafitrasa ary hitokana ireo asa efa vita ao an-toerana ny Filoha Andry Rajoelina anio.
Tsy latsa-danja amin’ireo distrika maro efa notsidihin’ny Filoha, asa fampandrosoana maro no efa vita sy mbola andalam-pahavitany ao Ambatondrazaka, renivohitry ny Faritra Alaotra Mangoro. Anisan’izany ny asa fanamboarana ny lalana miainga eo amin’ny Seranampiaramanidin’I Feramanga – Avaratra mivoaka ny lalampirenena faha-44 ao Ambatondrazaka, izay vita Vita 100%. Fampanantenana nataon’ny Filohampirenena ny hanamboarana io lalana mirefy 800 m io, nandritry ny fandalovany tany an-toerana ny volana oktobra 2019. Namboarina ho tara manontolo ny lalana raha toa ka lalantany sy mikotoatoana izany teo aloha. Nametrahana andrin-jiro hanazava Ihany koa ny faritry ny seranampiaramanidina sy ny lalana Feramanga avaratra- RN44. Ankoatra izay, vita tanteraka ny fananganana ny Sekoly ambaratonga fototra – EPP manarapenitra ho an’Ambatondrazaka. Hahazaka mpianatra miisa 600 ny sekoly izay ahitana ny kilasy « préscolaire » hatramin’ny T5. Tahaka ny Epp manarapenitra hafa, hisitraka toeram-pianarana informatique sy « cantine scolaire » ny mpianatra ao amin’ny sekoly Epp manarapenitra Asabotsy Ambatondrazaka. Vaovao sy manarapenitra ihany koa ny fitaovana toy ny dabilio, biraon’ny mpampianatra sy ny fitaovam-pampianarana ao anatin’ny sekoly. Hiteraka famporisihina ho an’ny mpianatra hazoto sy hifantoka amin’ny fampianarana ny fametrahana ny cantine scolaire.
Vita ny 80%-n’ny asa fanamboarana ny Kianja Rasolonjatovo
Efa mandroso sy an-dalam-pamaranana ihany koa ireo fotodrafitrasa vaovao hafa nampanantenain’ny Filoha ho an’Ambatondrazaka. 80%-n’ny asa no efa vita ho an’ny fananganana ny Kianja manarapenitra Rasolonjatovo Ambatondrazaka. Efa voapetraka ny « tapis synthétique » ho an’Ambatondrazaka. Efa voatsangana ihany koa ny «tribune » ao anatin’ny kianja. Nampitomboina habe ny tribune mitaha amin’ny teo aloha. Mirefy 105 metatra ny tribune napetraka ao anatin’ny kianja manarapenitr’Ambatondrazaka. Etsy ankilany, efa samy nandroso ho 60% ihany koa ny fanatanterahana ny asa fananganana tetezana antsoina hoe « pont Kafé » miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana Ambatondrazaka mankany Ambandrika sy ny fananganana ny tetezana Manaingazipo, miaraka amin’ny fanaovana ho tara ny lalana mirefy 25 km ao Vohidiala Kaominina Manakambahiny Andrefana. Ho tonga hitokana ny EPP manarapenitra sy ny lalana Feramanga Avaratra ny Filoha anio, ao amin’ny distrikan’Ambatondrazaka. Hisitraka fitaovam-pianarana feno sy tsara kalitao tahaka ny efa nozaraina tany amin’ny faritra maro ny mpianatra ao amin’ny EPP manarapenitra Asabotsy Ambatondrazaka. Hitsidika ny fitohizan’ny asa fanamboarana ny Kianja manarapenitra sy ny lalana Manaingazipo ary fanamboarana ny Pont Kafe ihany koa izy amin’ny fitsidihana hataony. Ho fitsinjovany ireo tokantrano ao an-toerana sahirana noho ny vokatry ny fandalovan’ny COVID-19, hizara ny tosika fameno amin’ny alalan’ny paositra malagasy ho an’ny olona 7000 isa ny Filoha. Hanolotra Vatsy Tsinjo sy hazavana ho an’ny rehetra ihany koa izy ho an’ny anio, araka ny fandaharam-potoany.



