Fanatanjahan-tenaSongadim-baovao
FANOMANANA NY CAN 2021: Voaantso hanatevin-daharana ny Barea i Mathias ao amin’ny PSG (U-19)
Anisan’ny mpilalao zandriny indrindra nantsoin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis hanatevin-daharana ny Barea i Mathias. Izy izay vao 17 taona monja ary milalao ao amin’ny ekipa PSG-Paris Saint Germain (U-19)…
Omaly, nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny anaran’ireo mpilalao miisa 25 mandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea, ny mpanazatra Nicolas Dupuis. Mpilalao miisa roa vaovao avy any ivelany no voaantso hanantevin-daharana ka anisan’izany Mathias Randriamamy, ilay mpiandry tsato-kazo ao amin’ny PSG- Paris Saint-Germain, izay 17 taona monja ary efa sangany sahady eo amin’ny sehatry ny baolina kitra. Izy araka izany no mpilalao zandriny indrindra voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena eto amintsika . Ny fampidirana ireo mpilalao zandriny toy izao dia taratra sahady fa hanana mpandimby vaovao ireo Barea afaka taona vitsivitsy. Notsongain’i Nicolas Dupuis ihany koa, i Loic Lapoussin (24 taona) , milalao ao amin’ny divizionina faharoa ao Belzika hanatevina ny ao afovoan’ny kianja malagasy. Loic izay efa ela no naniry handrafitra ny ekim-pirenana malagasy ka izao nantsoina izao. Tetsy ankilany, mpilalao iray avy eto an-toerana voaantso kosa, i Nina Razakanirina izay aniisan’ny mpiandry tsato-kazo ihany koa ary milalao ao amin’ny As Adema. Ankoatra azy telo lahy ireo, nantsoin’i Dupuis hiverina hisalotra sy hiaro ny voninahim-pirenena malagasy ihany koa i Njiva sy Dax. Ireto farany izay nambaran’ny mpanazatra fa efa ao anatin’ny tanjany tanteraka amin’izao fotoana izao ka ilaina ny famerenana azy ireo ao amin’ny ekipa-pirenena malagasy. Ary saika notazomina daholo kosa, ireo efa nandrafitra ny ekipa nandritra ny Can 2019 lasa teo. Nanambara i Dupuis fa ho fanomanana mialoha ny lalao mandroso amin’ny fifanitsanana Can 2021, izay hifanandrinana amin’ny ekipa Ivorianina amin’ny 14 novembra ho avy izao any amin’ny taniny sy hiatrehana ny lalao miverina izay atao any amin’ny Kianjan’i Barikadimy, no anton’izao fandrafetana sy fanatevenana ny ekipam-pirenena malagasy izao.
Mpiandry tsato-kazo: Adrien Melvin ( FC Martigues, France) Nina Razakanirina (As Adema Madagasikara) Mathias Randriamamy (PSG U-19, France)
Vodilaharana: Pascal Razakanantenaina na i Bapasy (JS st-Pierre, France) Jérôme Mombris ( Grenoble Foot 38, France) Sylvio Quassiero (CS Fola Esch, France) Romain Métanire (Minneosta United, USA) Thomas Fontaine (FC Lorient, France) Jérémy Morel (FC Lorient, France)
Irakiraka : Abel Anicet Andrianantenaina (PFC Ludogorets, Bulgarie) Zotsara Randriambololona (FC Fleury 91, France) Marci Ilaimaharitra (Royal Charleroi SC, Belgique) Dax Andriamirado (Black Leopards FC, Af. du Sud) Loîc Lapoussin (RU Saint-Gilloise, Belgique) Rayan Raveloson (ESTAC Troyes, France) Ibrahim Amada (Al Khor Club, Qatar) Bastien Hery (Linfield FC, Irlande) Dimitri Caloin (FC Ville France Beaujolais club)
Mpanafika: Carolus Andriamahitsinoro (AL Qadisiya FC, Arabie-Saoudite) Njiva Rakotomalala (Nongbua Pitchaya FC, Thaïland) Alexandre Ramalingom (CS Sedan.A, France) Hakim Abdallah (FC Swift Hesper, Belgique) Paulin Voavy (Misr EL Makkasa, Egypte) Lalaina Nomenjanahary na Bôlida (Paris FC) William Gros ( FC Fleury 91, France)




