KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
FANOMEZAN-DANJA NY KOLOTSAINA SY VAKOKA: Nosokafana ny Mozea Vavitiana Ampasimazava Toamasina
Politika hifotoran’ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny asa fanarenana sy ny fametrahana fotodrafitrasa vaovao. Tsy diso anjara amin’izany ny eo amin’ny sehatry ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny Minisitera tompon’andraikitra. Omaly, notokanana tamin’ny fomba ofisialy indray ny Mozea Vavitiana ao Ampasimazava Toamasina. Toerana izay hahalalana ny mombamomba ny Faritanin’I Toamasina iray manontolo.
“Ny firenena iray raha te handroso dia tsy tokony hanao tsinontsinona ny Kolontsainy”, hoy ny Ben’ny tanànan’I Kaominina Ambonivohitr’I Toamasina. Foto-kevitra izay tohanan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny fanomezan-danja ireo toerana manan-tantara sy vakoka samihafa eto amintsika. Ho an’I Toamasina manokana, ainga vao amin’ny fanomezan-danja sy ny fameloma-maso indray ny Kolontsaina ny fahavitan’ny Mozea Vavitiana ao Ampasimazava. Ity farany izay ahitana ny mombamomba ny faritanin’I Toamasina iray manontolo araka ny fanazavan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Fotoana izay nanambarany fa “Sambany misy toerana hahafahana mamantatra Faritany tahaka izao”. Araka izany, ahitana ny mahakasika ireo faritra telo mandrafitra ny Faritanin’I Toamasina ity Mozea ity. Isan’izany ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, ary ny Faritra Alaotra Mangoro. Izany hoe, hita ao avokoa ny kolontsaina, fomba fiainana, sy fomba fanao mampiavaka ny farira tsirairay avy. Mazava ho azy, mivoitra ao ihany koa ny mampiavaka ny faritanin’I Toamasina amin’ny ankapobeny, hoy hatrany ny Minisitra. Nilaza ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa fanombohana ihany ity ao Toamasina ity fa hapetraka isaky ny faritany enina eto Madagasikara ny Mozea tahaka izao. Efa ao anaty fandaharam-potoana manaraka rahateo I Mahajanga sy Antsiranana.
Maison Nathan teo aloha
Raha tsiahivina, ny 9 novambra 2019 no nijery ity toerana ity ny Minisitra ary nanapa-kevitra ny hanamboatra sy hanao ny toerana ho vakoka. “Maison Nathan” no niantsoana ity toerana ity efa am-polo taonany maro. Miavaka ny mari-tranony. Ary azo sokajiana ho vakoka, hoy ny minisitra. Araka ny tantara, nisy “sous-sol” nanafenana ireo andevo malagasy tamin’ny andron’ny fanjanahantany, mialohan’ny hanondranana azy ireo any ivelany ity trano ity. Famafana izay tantara nisy teo aloha izay, araka izany, no anisany anton’ny nanaovana azy ho Mozea. Noho ny efa fisian’ny Kianja Vavitiana eo ampitan’ny trano kosa no antony nanaovana ny anaran’ny toerana ho Mozea Vavitiana. Tsara ho fantatra fa tetibolan’ny minisitera madiodio no nanaovana ny fotodrafitrasa. Ary maimaim-poana ny fitsidihana ny toerana ao anatin’ny iray volana. Amin’izao fanombohana izao dia ny fampirantiana ny saripikan’i Jacques FAUBLEE izay mpaka sary fanta-daza sady manam-pahaizana nitsidika an’i Madagasikara no haranty ao an-toerana, izay haharitra iray volana. Aorian’ny iray volana kosa dia hisy fandraisana anjara aloan’ireo mpitsidika. Marihana fa ny Loharana otrika ho an’ny Kolontsaina na Lovako no hitantana ny toerana.




