Namoaka « Arrêté » na didim-pitondrana ny Préfet eto Antananarivo, taorian’ny fifampidinihana tamin’ny Governoran’ny Faritra Analamanga mahakasika ny tsy maintsy hanaovana sy hametahana ny arotava eto amin’ny Faritra Analamanga. Izany fanapahan-kevitra izany dia niainga tamin’ny fahitana fa niova ho lasa goragora ny fanajan’ny olona ireo fepetra sakana miaro amin’ny fiparitahan’ny Covid-19, kanefa mbola tsy resy tanteraka ny aretina eto amintsika. “Na dia foana aza ny « hamehana ara-pahasalamana » eto Madagasikara dia mbola didiana hatrany ny fanarahana ireo « gestes barrières » rehetra mba hisorohana ny fihanaky ny tsimokaretina Coronavirus eto amin’ny Firenena”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga. Noho izany, hiteraka sazy amin’ny fanaovana asa iombonana na « Travaux d’intérêt généraux » ny tsy fanaovana arotava. Fotoana izay nanamafisan’izy ireo fa tsy tokony ho ny sazy avy amin’ny mpitandro filaminana no tokony hatahorana fa fahasalaman’ny tsirairay sy ny manodidina azy mihitsy.




