KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy

CLUB FANORO: Sehatra hifanofanana ho olom-pirenena vanona

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fitaizana tanora ny fikambanana. Izany indrindra no anisany antom-pisian’ny Club Fanoro, izay fikambanana tanora mijoro any amin’iny tapany atsinanan’ny Nosy iny. Nampahafantarina omaly nandritra ny fankalazana ny androm-pirenena ho an'ny mpilatsaka an-tsitrapo tao Foulpointe ny fijoroan’ity fikambanana ity.

Nankalazaina tao amin’ny Mandan’ny Foulpointe ny androm-pirenena ho an’ny mpilatsaka an-tsitrapo, omaly, 25 Oktobra. « Mpilatsaka an-tsitrapo : miasa sy miezaka ho an’ny fiovana » no lohahevitra nankalazana izany. Ho fanamarihana kosa dia nisy ny « Tagnamaro » nanadiovana ny Manda, ankoatra ny fiarahana mamaky boky faobe, izay sady ao anatin’ny fandaharanasa « Ndao hamaky boky » ihany koa. Nifanindra an-dalana tamin’izany ny fampahafantarana ny fijoroan’ny Club Fanoro izay nataon’ny tanora tany an-toerana. Araka ny fanazavana hahafahana mamelomaso ny fanabeazana olom-pirenena vanona sy ny sehatrasa ara-kolontsaina isan-karazany ny Club Fanoro. Hisy karazana Club maromaro ho hita ao anatiny, isan’izany ny Club débat. Tanjona ny hivelaran’ny fahalalan’ny tanora, ka mba haharaka izany tena zava-misy marina eto amin’ny tany sy ny firenena izy ireo. Araka izany, ny fitaizana ho olom-pirenena vanona sy feno dia mifameno ihany koa amin’ny fampiakarana ny fari-pahalalana ankapoben’ny tanora. Marihana fa ankoatra ny Club Débat dia sehatra maro no hifanofanana sy azo hianarana ao amin’ity fikambanan’ny tanora ity. Izany rehetra izany dia mifandrimbona amin’ny fananganana olom-pirenena vanona. Namaranana ny fotoana tao amin’ny Mandan’ny Foulpointe ny flash mob fanentanana momba ny fandaharanasa « Asa sy Ezaka ».

« Ndao hamaky boky » ankalamanjana tao amin’ny mandan’ny foulpointe

Nisy ny fiarahana mamaky boky faobe tao anatin’ny Mandan’ny Foulpointe ao anatin’ny fandaharanasa « Ndao hamaky boky », nandraisan’ny ankizy sy tanora maro tao amin’ny distrika anjara. Ny Tranombokim-pirenena Malagasy no nikarakara ity hetsika ity. Nisy ny fizarana am-bava ny boky novakiana avy amin’ny ankizy sy tanora vitsivitsy, izay nandraisan-dRamatoa Minisitra Lalatiana Andriatongarivo anjara ihany koa.

Fermer