SamihafaSongadim-baovaoSosialy

ANTONTANISA COVID-19 : 86 ireo sitrana nandritra ny herinandro

Araka ny tatitra avy amin’ny foibem-pibaikoana misahana ny ady amin’ny Covid-19, niisa 86 indray ireo olona sitrana soamantsara tamin’ny Covid-19 teto Madagasikara, ny herinandro lasa teo. Hatreto izany, mahatratra 16301 ny fitambaran’ireo olona sitrana hatramin’ny nisian’ny Covid-19 teto amintsika. Tarehimarika izay mitondra ny taham-pahasitranana ho ambony ho an’i Madagasikara. Tetsy ankilany, nahatratra 158 ireo tranga vaovao voamarina fa mitondra ny tsimokaretina Coronarivus teto Madagasikara tao anatin’ny herinandro. Araka ny fanazavana, fitiliana 2 252 no nahitana ireo tranga ireo. Mbola misy marary 423 manaraka fitsaboana, noho izany, eto Madagasikara. Isa izay ilàna fitandremanana avy amin’ny rehetra hatrany, satria mbola misy eto amintsika izany ny valanaretina. Mbola olona enina rahateo koa no namoy ny ainy, ny herinandro farany teo, nampiakatra ny isan’ireo lavo ho 244. Marihana fa mbola mitohy ny fanaovana fitiliana ho antsika eto Madagasikara, na dia efa ambany dia ambany aza ny tahan’ny fiabon’izany.

Fermer