Songadim-baovao

FANARAHAN-DALANA AMIN’NY ARABE : Nidina ifotony ny Talen’ny Foibe fitsarana fiarakodia

Nanatanteraka fidinana ifotony tamin’ny lalam-pirenena voalohany iny ny Tale jeneraly Foibe fitsarana fiarakodia, ny zoma sy sabotsy lasa teo. Ankoatra ny fanentanana ireo mpitandro filaminana miandraikitra ny « police de la route », tanjona ny fampanarahan-dalàna mankany amin’ny tany tan-dalàna…

Iarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany ny fidinana ifotony.

Nidina teny an-toerana nanatona akaiky kokoa ireo mpiara-miombona antoka, ireo tomponandraikitra ifotony, ny mpitandro filaminana eny an-tsehatra, ny mpikirakira fiarakodia, sns.. Atoa Tale Jeneraly ny Foibe fitsarana fiarakodia tamin’iny lalam-pirenena voalohany, ny Jly Nicolas Tsirivelo, ny zoma 23 sy sabotsy 24 oktobra lasa teo, ka nihazo ny renivohitry ny Faritra Itasy sy Bongolava. Teny an-dalana, nisy ny fanentanana nataony tamin’ ireo mpitandro filaminana Zandary sy Polisy nanatanteraka « Police de la route » na PR. Nisy ny fizarana traikefa, fahalalana sy toromarika samihafa, mba hitovy fijery ahatongavana amin’ny tanjona iombonana dia ny fiarovana ny ain’ny vahoaka sy ny fananany, indrindra ny fampanarahan-dalàna, mankany amin’ny tany tan-dalàna. Niompana tamin’ny fihainoana ny filana any ifotony, mba hankanesana amin’ny tsara kokoa izy ireo. Ho an’ny Faritra Itasy manokana,  maniry izy ireo ny hisian’ny “Centre de Sécurité routière” ka nitondrana vahaolana sy soso-kevitra momba izany.

Tsy  nohadinoina  koa ny fihaonana narahina fifanakalozan-kevitra tamin’ny OMC/Reg Itasy, ka noresahina tamin’izany ny fampanarahan-dalàna ireo mpampiasa fiara sy fiverenana amin’ny tany tan-dalàna, araka ny politikan’ny Fitondram-panjakana ka nihainoana ny hetahetan’ny mpiara-miombona antoka. Ny tao amin’ny Faritra Bongolava kosa, nivoitra nandritra ny fivoriana ny hisian’ny fiaraha-miasan’ireo tomponandraiki-panjakana any ifotony sy ny lafiny fampianarana, mba hisorohana ny fandikan-dalàna amin’ny haino aman-jery sy amin’ny alalan’ny fomba hafa koa. Tsy hadinon’ny Tale Jeneraly ny fitsidihana ny ivon-toerana fitsarana fiarakodia ao Tsiroanomandidy sy nitety ireo tobim-paritry ny zandary sy ny Polisy manantanteraka fiambenana sy fanaraha-maso ny lalam-pirenena voalohany.

Fermer