Politika
FANENANA NY ISAN’NY LOHOLONA : Tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny fitsinjaram-pahefana
Miroso hatrany ny fanomanana ny fifidianana Loholona eto amintsika. Mitohy hatrany koa ireo adihevitra samihafa manodidina izany, toy ny filazana fa hampihemotra an’I Madagasikara amin’ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fanenana ny isan’ny Loholona ho 18. Namaly izany ny mpitondra tenin’ny Governemanta ny faran’ny herinandro teo.
Velirano nataon’ny Filohan’ny Repoblika tamin’ny vahoaka ny fanafoanana ny Antenimieran-doholona fony izy nanao fampielezan-kevitra tamin’ny 2018. Tsy afaka nirosoana anefa izany mba ho fanajana ny lalàna fototra misy eto amin’ny tany sy ny firenena. Ilàna fitsapa-kevi-bahoaka rahateo raha te hikitika ny lalàna mifandraika amin’izany. Noho izany indrindra no nandraisan’ny Filohan’ny Repoblika ireo hitsivolana nanena ny isan’ny Loholona ho 18 raha toa ka 63 teo aloha. Isany hanakianan’ny mpanohitra ny Fanjakana tamin’io fanapahan-kevitra ny filazana fa voatohitohina ny lafiny fitsinjaram-pahefana eto Mafdagasikara amin’ny maha-mpanaramaso ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ireo Loholona. Nitondra ny fanehoan-keviny mahakasika izany ny minisitry ny Serasera sady Mpitondra tenin’ny Governemanta, Andriatongarivo Lalatiana, ny faran’ny herinandro teo, izay nilaza fa tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ny fitsinjaram-pahefana velively ny fanenana io isan’ny Loholona io. Nambarany fa hitsinjovana ny fitsinjaram-pahefana tena izy aza no nanenana io isa io. Azo alefa any amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana mivantana, hoy izy, ny vola tokony homena ireo Loholona 63 ireo. Tsiahivina fa 25 miliara ariary no tetibola isan-taona azon’ny Antenimeran-doholona, fony izy mbola 63 ny isan’ny senatera. Tetibola izay mahavita oniversite manarapenitra dimy, hoy ny Filoha. Fotoana izay nanamarihan’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa efa mandeha ny fananganana oniversite amin’izao fotoana izao. Eo anatrehan’izany, azo ambara tanteraka fa vao maika hahafeno ny fitsinjaram-pahefana tena izy ny fanenana ny isan’ny Loholona. Fanontaniana no napetraky ny mpitondra tenin’ny Governemanta nandritra ny resaka nifanaovany tamin’ny mpanao gazety, manao hoe, tena nisy fiantraikany tsara tamin’ny lafiny fitsinjaram-pahefana ve ny fisian’ireo Loholona 63 tamin’ny fotoan’androny? Entina hilazana fa tsy mikatsaka afatsy izay mahasoa ny firenena ny Fitondram-panjakana ankehitriny, ary manaja sy manome vahana izany tena fitsinjaram-pahefana tena izy izany.




