PolitikaSongadim-baovao
HAMAFISINA NY ADY AMIN’NY KOLIKOLY: Napetraka ao Mahajanga ny “Pôle Anti-Corruption”
Dingana lehibe indray no vitantsika eto Madagasikara momba ny ady amin’ny Kolikoly. Ny zoma 23 Oktobra lasa teo tokoa mantsy no nametrahana, tao amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny, ny “Pôle Anti-Corruption” na ny rafi-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly eto amintsika. Ankoatra ny eto Antananarivo, noho izany, dia efa manana ny PAC ihany koa I Mahajanga. Eo anatrehan’izany, azo antoka fa hanamafy ny ady amin’ny kolikoly sy fanjakana tsara tanana eto amintsika ny fijoroan’ity rafitra ity, indrindra ny ao amin’ny faritanin’i Mahajanga. Tsara marihana fa efa fanamby imasoan’ny Fanjakana ankehitriny ny ady amin’ny kolikoly. Ary tsy vitsy ireo olona efa niditra am-ponja sy mbola manan-draharaha eny anivon’ny PAC ankehitriny, noho ny resaka kolikoly. “Zéro tolérance”, na tsy fandeferana mihitsy na amin’iza na amin’iza no fomba fiasa ho an’ny Fanjakana, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana.
Nomena fampitaovana
Notokanana ny zoma lasa teo ny PAC ao Mahajanga. Fiarahamiasa teo amin’ny Governemanta malagasy sy ny Pnud ao anatin’ny fanamafisana ny tany tan-dalàna no nahafahana napetraka ity birao vaovaon’ny PAC ity. Teo ihany koa ny tohana avy amin’ny rafitry ny firenena mikambana momba ny fitantanana demokratika eto Madagasikara, niaraka tamin’ny tahirin’ny firenena mikambana momban’ny fampandrosoana. Efa misy efitrano fitsarana ao amin’ity birao vaovaon’ny Pac ity, niaraka tamin’ny fitaovana informatika, moto, fiara tsy mataho-dalana iray. Araka ny fanazavana, nezahana ny hahatomombana, araka ny tokony ho izy, ny fampitaovana rehetra, mba hahafahan’ny mpiasa manatanteraka ny asa amina fepetra feno.



