PolitikaSongadim-baovao

FANODINKODINAM-BOLAM-PANJAKANA: Dosie 12 handalo ao amin’ny Kaomision’ny Fitsarana Avo

Rafi-pitsarana manokana natao hanenjika ireo tompon’andraiki-panjakana ambony nanao hadisoana teo amin’ny andraikiny ny Fitsarana Avo na ny “Haute Cours de Justice” (HCJ). Efa misy antontan-taratasy maromaro voarain’ity rafi-pitsarana ity hatramin’ny nijoroana, saingy tsy afaka miroso amin’ny fanenjehana ireo tompon’andraikitra ahiahiana ireo ny HCJ, raha tsy mahazo ny fankatoavan’ny Antenimieram-pirenena, araka izay efa voafaritry ny lalàna rahateo.

Mandritra izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena izao no hanapahan’ireo solombavambahoaka ny tokony hanenjehana na tsia ireo tompon’andraiki-panjakana voarohirohy tamina raharaha nafana teto amin’ny firenena. Fotoana hanapahana ireo dosie alefa mialoha eny anivon’ny HCJ ihany koa. Ny vaomieran’ny Fitsarana avo eo anivon’ny Antenimierampirenena aloha no hivory hanapaka hoe iza no halefa mialoha. Asam-baomiera izay efa nanomboka ny Alatsinainy lasa teo, ary tsy hifarana raha tsy ny zoma izao. Araka ny fanadihadiana, ny dosie momba ny resaka fanondranana andramena, fanaovana sy fampiasana hosoka avo lenta, ary ny fanodinkodinam-bolam-panjakana no tena mibahan-toerana amin’izany. Ary saika ireo minisitra teo aloha no ankamaroan’ireo hiharan’ny fanenjehana ireo. Tsiahivina fa mila mandalo eo anivon’ity vaomiera ity avokoa ireo dosie rehetra mety mahakasika minisitra na filohana andrimpanjakana, toy ny filohan’ny Antenimerampirenena sy ny filohan’ny Antenimierandoholona, hatramin’ny Filohan’ny Repoblika. Izay vao afaka miroso amin’ny fanenjehana ny HCJ.

Minisitra telo

Araka ny fanadihadiana, antontan-taratasy 12 no hodinihan’ny Vaomieran’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Isany misongadina amin’izany ny mahakasika ny Minisitry ny Mponina teo aloha. Eo ihany koa ny Minisitry ny Asam-panjakana teo aloha, ary ny Minisitry ny Asa Vaventy teo aloha tamin’ny fotoan’ny tetezamita. Ohatra ihany ireo fa mbola misy antontan-taratasy hafa mahakasika fanodinkodinam-bola sy raharaha andramena kirakiraina eo anivon’ity vaomiera ity. Araka ny loharanom-baovao,  manodidina ny telo arivo taonina ny andramena naondrana tamin’ny fomba tsy ara-dalàna tany ivelany, niainga avy eto Madagasikara, teo anelanelan’ny 2009 ka hatramin’ny 2014. Efa misy firenena maro fantatra fa mandray izany, isan’izany Maurice, Singapour, Kenya, Chine. Ankoatra izay, misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony teo aloha ireo koa voasaringotra tamina fanodinkodinam-bola tamin’ny resaka tsenam-baro-panjakana. Ary koa, vola amina miliara maro avy amin’ny mpamatsy vola no tsy hita popoka rehefa tonga eto Madagasikara satria misy tompon’andraikitra sasantsasany manodina izany any ambonimbony any. Hany ka ampahany vitsy sisa no hisitrahan’ny vahoaka amin’izany. Misy amin’ireo tompon’andraiki-panjakana teo aloha ireo koa voasaringotra amina tranga toy izany, araka ny fanadihadiana. “Tsy ekena intsony ny tsy maty manota eto amin’ny firenena fa tsy maintsy enjehina araka ny lalàna izy ireo”, hoy ny Depiote Tsabotokay Honoré, Filohan’ny Vaomieran’ny Fitsarana Avo eo anivon’ny Antenimieram-pirenena.

Andininy faha-133 ao amin’ny Lalàmpanorenana

Raha tsiahivina, ny taona 2018 no najoro ny Haute Cours de Justice na ny Fitsarana Avo, mba hanenjehana ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena izay nanodinkodina volam-panjakana. Araka ny voalazan’ny andininy faha-133 ao amin’ny Lalàmpanorenana, “ny Filohan’ny Antenimiera, ny Praiminisitra, ny mpikambana hafa eo anivon’ny Governemanta ary ny Filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tompon’andraikitra itataovam-pamaizana noho  ny zava-natao teo amin’ny asany ka voatondro ho heloka bevava na heloka tsotra tamin’ny fotoana nanaovana izany, ka ny Fitsarana Avo no mitsara azy”. Mbola io andininy io ihany koa no mamaritra fa “ny Antenimierampirenena no afaka miampanga azy ireo amin’ny alalan’ny latsabato atao ampahibemaso lanian’ny antsasa-manilan’ny mpikambana. Ny Tonia Voalohany Mpampanoa ao amin’ny Fitsarana Tampony no manao ny fanenjehana.” Raha tsiahivina ny voalazan’ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana Tampony, , Andriatianarivelo José, niisa 12 ireo antontan-taratasy efa vitan’izy fanadihadiana, ary izao nalefa eny amin’ny Antenimieram-pirenena izao. Marihana fa efa tafatsangana ara-dalàna ny birao mandrafitra ny HCJ ho an’ny Antenimierampirenena.

Fermer