PolitikaSongadim-baovao

LEHIBEN’NY MPIRAKI-DRAHARAHA VAOVAO : Hitondra rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny Fitsarana

Tsy mitsahatra manao ny ezaka rehetra ho famerenana ny fatokisan’ny vahoaka ny Fitsarana eto Madagasikara ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny, amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Fitsarana.Tafiditra ao anatin’izany ny fanendrena ireo lehiben’ny mpiraki-draharaha vaovao hiasa any amin’ny toerana maro, izay hitondra rivo-baovao ho an’ny tontolon’ny Fitsarana eto amintsika indray.

Mitana anjara toerana lehibe amin’ny fitarihana, fandraharahana, ary ny fandrindrana ankapobeny ireo mpiraki-draharaha isaky ny rafi-pitsarana misy eto amintsika ny lehiben’ny mpiraki-draharaha, na ny “Greffiers en chef”. Izy ireo ihany koa, noho izany, no anisany miantoka ny fangaraharan’ny fikirakirana raharaha eny anivon’ny Fitsarana. Araka ny fanazavan’ny Minisitry ny Fitsarana, no sady mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Andriamahefarivo Johnny Richard, ilàna fitondran-tena mendrika sy fahaiza-manao ny toerana maha lehiben’ny mpiraki-draharaha. Antony tsy maintsy hanamafisana hatrany ny fahaizana amam-pahalalan’izy ireo, izay hiditra amin’izany andraikitra izany. Anisany misitraka fampiofanana, noho izany, ireo lehiben’ny mpiraki-draharaha vaovao am-polony maro, vao notendrena. Izy ireo izay hiasa amin’ny Fitsarana maro manerana ny Nosy.

Atrikasa fampiofanana

Isany paikady apetraky ny Fanjakana ankehitriny ny fanolonoloana olona eo amin’ny toerana iray, mba hisian’ny fangaraharana amin’ny asa sy ny fitantanana. Ary indrindra koa, hisorohana ny resaka kolikoly, izay matetika ny sehatry ny fitsarana hatrany no voatondro molotra amin’izany. Mialohan’ny handraisan’ireo lehiben’ny mpiraki-draharaha vaovao ny asany, noho izany, dia misy ny atrikasa fampiofanana tarihin’ny fitaleavana misahana ny mpiraki-draharaha eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana, eny amin’ny toeram-pivoriana iray eny By-pass. Nanomboka omaly io fihaonana io, ary tsy hifarana raha tsy rahampitso 29 Oktobra 2020. Tanjon’ny hetsika ny hanomezana tontolo vaovao indray ny fitsarana eto amintsika. Ary koa, hitarihana sy hanentanana ireo lehiben’ny mpiraki-draharaha amin’ny fanomezana ny tsaratsara kokoa amin’ny asa atao. Na izany aza, nilaza ny Minisitry ny Fitsarana fa tsy miankina amin’ny mpitsara sy ny mpiraki-draharaha irery ihany no adidy famerenana ny hasin’ny fitsarana eto amintsika, fa miainga any amin’ireo mpiasa madinika indrindra, ka hatrany amin’ny mpitsara, hoy izy. Tsara marihana fa mbola tsy nivoaka ny didy fanapahana manendry ireto lehiben’ny mpiraki-draharaha vaovao ireto, saingy tsy afaka miandry izany ny asa fa tsy maintsy miroso, hoy ny Minisitra. Araka ny nambarany hatrany, tsy hihoatra ny telo hatramin’ny dimy taona ny fotoana hipetrahan’ireo vao notendrena ireo amin’ny toerana. Tsy maintsy hisy fanoloana vaovao hatao indray aorian’izay.

Fermer