Vaky Bantsilana
Mila mamakafaka… tsy tokony hihinana am-bolony
Niteraka resabe tamin’ny vaovao, indrindra ny amin’ny tambajotra ara-tsosialy, ny fanambaran’ny Papa Fransoa, ny momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy (mitovy fananahana). Hentitra ny Kardinaly nitondra ny fanazavana afakomaly, ho an’ny vahoaka, indrindra ny kristianina katolika, ny amin’ny tokony hanamafisana ny finoana...
Niteraka resabe tamin’ny vaovao, indrindra ny amin’ny tambajotra ara-tsosialy, ny fanambaran’ny Papa Fransoa, ny momba ny fanambadian’ny lahy samy lahy na vavy samy vavy (mitovy fananahana). Hentitra ny Kardinaly nitondra ny fanazavana afakomaly, ho an’ny vahoaka, indrindra ny kristianina katolika, ny amin’ny tokony hanamafisana ny finoana. Tafiditra ao koa ny tsy tokony hihinanana am-bolony ireny karazana fitaka avo lenta, amin’ny fanelezana vaovao natambatambatra. Tsy kely lalana ny ratsy, indrindra moa fa resaka finoana no voakitikitika. Hikoha-maina tokoa aza ho ataon’ny sasany, mainka fa misy sery anilihana? Amin’ny toe-javatra sarotra tahaka itony, ilaina ny mamakafaka ary tsy tokony hihinana am-bolony. Manana andraikitra ny mpitondra Fiangonana hanazava ny mpino ny famorovoroana tian-kitodian’ny sasany, satria ny hazo avo halan-drivotra ary ny lamba madio, tsy maintsy halan-tasy…
Vaovao diso miharo famitahana avo lenta no navoaka… Isan’ny andrin-kafatra nanaovana izany, ireo mpikirakira vaovao, diso fantatra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ary dia iny no nezahina nororitina sy natao izay nampetipety azy, araka izay takatra. Ny valanaretina coronavirus no mampitampim-bava, fa ny resaka tahaka itony, dia tsy voatampim-bava ny tsirairay, fa samy afa-maneho ny heviny avokoa. Navoitran’ny Kardinaly ny afakomaly lasa teo, fa tsy miova ny fampianaran’ny Fiangonana katolika momba ny tsy fanekena ny fanambadian’ny lahy samy lahy sy ny vavy samy vavy. Na izany aza, nisy ny fanazavana nataon’ny Papa Fransoa, ny amin’ny tsy tokony hanafangaroana ny fianakaviana, araka ny sitrapon’Andriamanitra avy amin’ny fanambadian’ny lahy sy ny vavy misokatra amin’ny fiterahana sy ny karazana firaisana hafa.
Mila mahay manavaka ny vary sy ny tsiparifary ny rehetra, indrindra ny mpino katolika, manoloana ny sahoan-dresaka sy ny fanozongozonana ny finoana kendrena ho atao. Ho an’ireo mihinana am-bolony, dia mandray tsy raisina mihitsy ka mametraka fa ny katolika, dia manaiky ny fanambadian’ny mitovy fananahana. Ho an’izay mahafantatra tsara ny lalàna mifehy ny Fiangonana katolika, dia tsy mandehandeha ho azy ny mpitarika, fa misy rafitra mifehy azy. Ka raha zavatra mivoaka amin’ny lalàn’ny natiora tahaka izany, dia tsy tefy manta apetaka ao amin’ny fiainan’ny Fiangonana, fa mila fanadihadiana lalina sy famakafakana. Ny fiangonana amin’ny maha fiangonana azy izay, dia ao anatin’ny fiainan’ny fiarahamonina, ary mametraka fa zanany avokoa, ka tsy tokony hisy ny fanilikilihana. Saingy, voatondro dimy ny elanelan’ny sofina sy ny maso ka samy nandroritra amin’izay nampetipety azy.
Mazava ny hafatry ny Fiangonana eo amin’ny fianakaviana kristianina, fa toy ny jiro mirehitra no anoharan’i Kristy ny kristianina satria hoy Izy : “Ianareo no fahazavan’izao tontolo izao; tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra” (Mt.5.14). Mifanindran-dalana amin’izany koa ny voalazan’ny Konsily fa ny “fianakaviana kristianina, amin’ny ohatra tsara omeny, sady manameloka ny fahotan’izao tontolo izao no manilo manazava ireo izay mikatsaka fahamarinana”. Ny Ntaolo malagasy dia nanambara fa ny ray aman-dreny no masoandro amam-bolana sy rano fanala kenda, ka rehefa lehibe tsy hananatra, modia ho razana, fa ny hendry loholona hendry vahoaka”. Koa ataon’ny fianakaviana kristianina ahoana moa no hanazava izao tontolo izao, raha tsy manana fahazavana ho an’ny zanany sy ny havany izy aloha? Ary tsy mitombina velively ny karazana fanosoram-potaka tian-kitodiana, mba hanaovan’ny sasany fanjonoana anaty koveta, isintonana ny mpino katolika, na hanaratsiana ireo mpiandry ondry. Noho izany, ilaina ny mamakafaka, mba tsy hihinanana am-bolony, fa tsy hiseho ho kristianina alohan’ny Papa eo!
