PolitikaSongadim-baovao
ANTENIMIERAMPIRENENA: Tsy marina ny resaka fanonganana an’i Christine Razanamahasoa
Niteraka resabe hatramin’ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimieram-pirenena ny tsaho miely mahakasika ny fanesorana amin’ny toerany, ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, sy ny fandravana ny birao maharitra. Araka ny fanadihadiana, samy mitsipaka io fanambarana io avokoa ireo depiote rehetra mandrafitra ity Andrimpanjakana ity.
Nandeha ny feo teny anivon’ny Antenimieram-pirenena fa misy andiana Solombavambahoaka manao fanangonan-tsonia mikasa ny hanaisotra amin’ny toerany, ny Filohan’ny Antenimeram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ary mifanindra an-dalana amin’izay koa ny fandravana ny birao maharitry ny Antenimieram-pirenena. Efa nisy mihitsy anarana hafa nivoaka mikasa haka ny toeran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, raha ny fantatra. Tsaho izay mampametra-panontaniana ny rehetra ihany satria anisany tompon’andraikitra manana ny maha izy azy, sady matotra no mahafehy ny asany ity filohan’ny Antenimieram-pirenena ity. Raha tsiahivina koa, tamin’ny salanisa 100% no nahalanian’I Christine Razanamahasoa tamin’ny fifidianana izay ho filohan’ny Antenimieram-pirenena. Izany hoe, nitovy avokoa ny fomba fijerin’ireo depiote rehetra ny amin’ny tokony hipetrahany eo amin’izany toerana izany. Ankehitriny anefa, miely feo fa ho esorina amin’ny toerana ny tenany. Na ireo depiote avy amin’ny antoko Tiako I Madagasikara, na ireo avy amin’ny tsy miankina, indrindra fa ny avy amin’ny vondrona parlemantera manohana ny fitondrana, dia samy tsy nisy nanamarina ity resaka mandeha ity avokoa. Nanamafy izany ny Solombavambahoakan’i Madagasikara, voafidy tao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, fa lainga sy tsaho ny filazana fa misy mikasa hanongana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena. Izy izay nampahatsiahy fa ny Solombavambahoaka no niray feo tamin’ny fametrahana azy tamin’ny toerany. Midika izany fa tohanan’ny depiote rehetra Razanamahasoa Christine.
Iza no mahazo tombontsoa?
Saika efa mahazatra rehefa fiandohan’ny fotoam-pivorian’ny parlemantera ny fisiana resaka mandeha amin’ny fandravana birao maharitra, tahaka izay mitranga ankehitriny. Na izany aza, hatramin’izay dia saika fantapatatra ihany, miainga amin’ny loko politika sy ny tsy fitovian-kevitra eo anivon’ny Andrimpanjakana, ireo parlemantera mety hanana izany fikasana izany. Tamin’ity indray mandeha ity anefa, raha ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena dia samy niaiky avokoa fa tsy misy mikasa hanaisotra an’I Christine Razanamahasoa amin’ny toerana. Mipetraka àry ny fanontaniana hoe iza no niaingan’ny tsaho mahakasika ny fanesorana azy? Iza no mahazo tombontsoa amin’izany? Araka ny fanazavan’i Fetra Rakotondrasoa, betsaka ny mety resaka mandeha amin’izao entina handotoana Andrimpanjakana, toy ny Antenimieram-pirenena, noho ny resaka politika. Azo everina ho paikady politika ataon’ny olona sasany, noho izany, ny fanelezana tsaho tahaka izany. Tsy voatery miainga avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena fa mety ho avy aty ivelany.



