SamihafaSongadim-baovaoSosialy
FARITRA ANDROY : Hamafisina ny ady amin’ny kere sy ny fiovan’ny toetrandro
Araka ny fanadihadiana, isany Faritra tena marefo amin’ny fiovan’ny toetrandro ny Faritra Atsimon’i Madagasikara. Tsy ampy ny orana ka lasa maina sy tsy mamokatra ny tany. Vokatr’izany, olona manodidina ny 500 000 any Atsimo no iharan’ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika. Manoloana ity Hamehana sy kere any Atsimo ity, noho izany, dia nanolotra fanampiana ara-tsakafo, toy ny koba aina, tsako, tsaramaso, mangahazo, ireo mponina ao amin’ny Faritra Androy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy. Natolotra ny Masera ao Ambovombe izay miahy mivantana ireo boka sy voafonja any an-toerana izany fanampiana izany. Tsara tsiahivina koa fa efa nisy delegasionina vitsivitsy avy amin’ireo solombavambahoakan’I Madagasikara, miray feo amin’ny famonjena ireo mpiray tanindrazana any atsimo, no efa tonga efa tonga tany an-toerana hatramin’ny talata teo. Izy ireo izay nitondra fanampiana ara-tsakafo mivantana ihany koa ho fanohanana ireo Malagasy any Atsimo.
Fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra any ifotony
Nandritra ny fandalovany tany atsimo, nanararaotra nihaona tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy Androy koa ny Delegasiona izay notarihin’ny Minisitra niaraka tamin’ny Governoran’ny Faritra Androy. Nifantoka tamin’ny fametrahana paikady entina hanatsarana ny asa sy hanamafisana ny ezaka ho fiatrehana ny fiovan’ny toetrandro sy ny fikajiana ny tontolo iainana ary ny fiarovana ireo sokatra izay biby arovana mampiavaka an’i Madagasikara ny fihaonana. Ankoatra izay, notoloran’ny Minisitera solosaina sy imprimante ihany koa ny « Cantonnement » Tsihombe. « Sarobidy ho an’ny MEDD ny fampitaovana sy fampahefana ny ekipa rehetra eny ifotony mba ho fanohanana azy ireo amin’ny adidy izay iantsorohany”, hoy ny fampitam-baovao.



