
Fanadihadiana Manokana
FANDRIAM-PAHALEMANA-TAFIKA MALAGASY: Roso ny fanavaozan-drafitra hanakaikezana vahoaka
Anatiny tanteraka ny fanavaozana ny rafitry ny Tafika malagasy, raha efa nanomboka ny taona 2019. Anisany rafitra vaovao nentina nampandry fahalemana tamin’ireo faritra namaivain’ny asan-dahalo, ny ZRPS sy ny ZMPI. Ireo rafitra izay fantatra fa hisolo vaovao manomboka ny taona 2021 ho avy io, hirosoana hatrany amin’ny fanovan-drafitra miainga amin’ny veliranon’ny Filoham-pirenena, ho fahafaham-pon’ny mpiray tanindrazana…
Miroso hatrany ny fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Tafika malagasy, izay efa natomboka ny taona 2019, ka nitsanganan’ny Etamazaoron’ny tafika malagasy, izay ahitana Etamazaoro telo lehibe miavaka tsy toy ny tany aloha, dia ny tafika An-tanety (Etat Major de l’Armée de terre), ny tafika Anabakabaka (Etat Major de l’Armée de l’air), ary ny tafika An-dranomasina (Etat Major de la marine). Nianga tamin’ny vinan’ny Filoham-pirenena tamin’ny alalan’ny IEM izany, raha tsiahivina, izay nametrahany ny vina voalohany dia ny Foloalindahy manakaiky vahoaka. Raha tamin’ny taona 1976 tokoa mantsy no nasiam-panitsiana farany, ny rafitry ny Tafika malagasy, dia fanindroany izao tamin’ity taona 2020 ity. Rafitra natao hifantohan’ireo vondron-kery manokana isan-tokony anaty Etamazaoro, ka hahazoana vokatra bebe kokoa eo amin’ny fampandriana fahalemana, ary haha matihanina amin’ny andraikitra sahaniny. Eo koa ny hamerenana ny maha izy azy ny Tafika malagasy, ny hananan’ny miaramila tsirairay fahaiza-manao matihanina tanteraka, ary indrindra ny hahazoana vokatra amin’ny alalan’ny fitaovana rehetra am-pelatanana. Tsy hambaka amin’ireo firenen-kafa no tanjona amin’izany, raha tsiahivina ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, Jeneraly Rakotonirina Jean Richard. Foana hatreo, araka izany, ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika malagasy, fa nahitsy ho « Etat Major des Armées », izay hivondronan’ireo vondron-kery isan-tokony voatanisa.

Zone Rurale Prioritaire de Sécurité (ZRPS)
Anisany nanamarika ity fanovan-drafitra teo anivon’ny tafika ity, ny fanetsehana ireo vata miaramila hampandry fahalemana any amin’ireo faritra tena mafanan’ny asan-dahalo. Natsangana, araka izany, ny Zone Rurale Prioritaire de Sécurité (ZRPS). Faritra miisa dimy no nametrahan izany nanomboka ny taona 2019, ka nisy ny ZRPS Alpha I sy II, ZRPS Charlie, ZRPS Bravo, ary ZRPS Delta. Ny ZRPS Alpha I, dia napetraka ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, Toliara, ary ao amin’ny faritra Anosy. Ny ZRPS Alpha II indray dia napetraka ao Tolagnaro. Ny ZRPS Bravo dia napetraka ao Miandrivazo, Ambatofinandrahana sy Morondava,… Ny ZRPS Charlie dia napetraka ao amin’ny faritra Bongolava, Melaky. Ny ZRPS Delta ao Tsaratanana sy ny manodidina. Mitotaly 1 536 ireo miaramila nalefa hampandry tany amin’ireo faritra misy ny ZRPS, anatin’izao andiany fahatelo izao, raha ny nambaran’ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika, Jeneraly Rabenaivoarivelo Jean Claude. Raha tsiahivina, miaramila mahatratra 2 000 lahy no nalefa tany am-boalohany nananganana ny ZRPS, tamin’ny fiantombohan’ny enim-bolana faharoan’ny taona 2019. Niverina izy ireo ny faran’ny taona 2019, ary nalefa indray ny andiany faharoa tamin’ny enim-bolana voalohan’ny taona 2020. Rehefa niverina indray izy ireo ny jona 2020, dia nalefa tamin’ny volana jolay lasa teo indray ny andiany fahatelo, izay hitodi-doha ny faran’ny taona ho avy io.
Zone Maritime Prioritaire d’Intervention (ZMPI)

Nisy koa ny rafitra napetraka hiarovana ny sisin-tanin’i Madagasikara, tamin’ny alalan’ny Zone Maritime Prioritaire d’Intervention (ZMPI). Nahatsapa ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny sisin-tany ny fitondram-panjakana, ka anisany nametraka mazava ny paikady amin’izany. Napetraka ny ZMPI any amin’ny faritra Atsinanana, izay fantatra fa faritra nanjakan’ny Trafika tany aloha, na andramena, na ny jono. Toy izany koa ny tany amin’ny faritra Andrefan’ny Nosy, izay miainga ao Mahajanga. Efa nahitam-bokany ny fanetsehana azy ireo, ka anisan’izany ny fisian’ny valanaretina coronavirus, izay nanjaka tany Atsinanan’ny Nosy iny. « Voafehy ny valanaretina tany an-toerana, mazava ho azy, satria nahetsika ny miaramila tamin’iny sisin-tany iny, na avy tamin’ny sambo izany, na ny an-tanety, ka nahatrarana ireo mpifindra monina nanaraka ny lakan-dranon’i Pangalana. Teo koa ny fisian’ny mpifindra monina avy any Mayotte, saika hihazo an’i Nosy-be, ka tratran’ireo miaramila tamin’iny sisin-tany andrefana iny niainga teo Mahajanga, nihazo an’i Mitsinjo, tonga hatrany Nosy-be sy Antsiranana, izay tsy hahafahan’ireo mpifindra monina miditra eto mihitsy.
Manangasanga ny « Zone de Défense et de Sécurité »
Amin’ilay fanovan-drafitra vaovao, fantatra fa hiova ho « Zone de Défense et de Sécurité » (ZDS), ireo rafitra teo aloha, ka na dia tsy mbola nivoaka aza, ny didim-panjakana mamaritra izany, fantatra kosa fa efa miroso tsikelikely amin’ny famerenana fandriam-pahalemana, amin’ny alalan’ireo ZRPS ny Tafika malagasy, anatin’izao tetezamita hiampitana amin’ny Rafitra vaovao izao. Antanan-tohatra telo lehibe no entina hiampitana amin’izany, dia ny famerenana ny fandriam-pahalemana amin’izao fotoana. Ny fanohizana ny fampandriana fahalemana manomboka ny taona 2021, ary ny fanamafisana sy fitazonana izay fahalemana izay, raha ny fanampim-panazavana nomen’ny Jeneraly lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika. « Nivadika ho fifanarahana hanatrarana tanjona teto aminay ny fametrahana io rafitra vaovao vao hisy io, rehefa nianga tamin’ny finiavan’ny fitondrana, niampita tamin’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena », hoy hatrany ny Jeneraly.

Hapetraka koa ny DSS sy BOA…
Raha ny tanjon’ny eo anivon’ny Tafika, anatin’izao fanavaozan-drafitra izao, dia ho tapitra amin’ity taona ity ireo rafitra nanetsehana ireo miaramila eran’ny faritra sy tany an-tsisin-tany. Fantatra ary, fa hapetraka tsikelikely manomboka ny taona ho avy io, ny « Détachement Spécial de Sécurité (DSS), izay efa miisa dimy amin’izao fotoana. Eo koa ny «Base Opérationnel Avancé » (BOA) izay efa misy efatra amin’izao fotoana, hanoloana izany. « Manomboka manao ny fananganana izany ny eo anivon’ny Tafika malagasy, ankehitriny. Efa nanomboka tamin’ny 19 oktobra lasa teo koa no nandefasana ireo miaramila vao navoaka, hamonjy ny Tafika an-tanety sy an-dranomasina, ary anabakabaka, hofanina anatin’ny enina herinandro. Haverina indray izy ireo hamonjy ny DSS sy BOA izay efa napetraka manerana ny Nosy, ary rehefa feno izany amin’ny taona ho avy, dia ireo amin’izay no manenjika mameno ireo ZDS vaovao », nanampy fanazavana ny Jeneraly Rabenaivoarivelo. Izany no natao dia fantatra, fa hialana amin’ny Etamazaoro teo aloha, hitsofohana amin’ny Etamazaoro vaovao. Fehiny, tarigetran’ny fitondram-panjakana ny hametrahana io rafitra vaovao io hatramin’ny 2023. « ZRPS » sy « ZMPI » tsy hisy intsony, fa hiova ireo rafitra vaovao hampandriana fahalemana.

Miaramila manakaiky vahoaka…
Tsy ny fampandriana fahalemana ihany no asa sahanin’ireo miaramila avy amin’ny Tafika malagasy, fa eo indrindra ny famonjena ny mpiray Tanindrazana, manoloana ireo voina miseho eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny « kere » any atsimon’ny Nosy, miseho amin’izao fotoana. Raha tsiahivina, miaramila mahatratra 550 no nalefan’ny Etamazaoro any an-toerana, hisahana ny fanampiana ireo departemanta misehatra amin’ny famonjena ireo iharan’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nisy ny mpitsabo miaramila, nisy koa ireo miaramila misahana fandriam-pahalemana any amin’iny faritra iny, ary koa manampy amin’ny fitsinjarana sakafo sy rano ho an’ireo tena ianjadian’io loza voajanahary any an-toerana io. Misahana ny fanisam-bahoaka izay tena ianjadian’io tsy fanjarian-tsakafo io koa, ireo miaramila, ka fantatra amin’izany, fa ny 70%-n’ireo mponina tena tratran’izany no efa voaisa, hatreto, hamatsiana fanampiana azy ireo. Nambaran’ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, fa na dia misedra olana samihafa aza, ireo miaramila, dia miezaka hatrany amin’ny fanavotana ireo mpiray tanindrazana.