Songadim-baovao

FITSIRIHINA TAMPOKA : Taratasina fiara miisa 148 nosintonina tany Avaratry ny Nosy

Ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ho fiarovana ny ain’ny mpandeha, dia nanatanteraka fitsirihina tampoka ny avy ao amin’ny Foibe fitsraana fiarakodia tany amin’ny Faritra Avaratry ny Nosy, ny 19 ka hatramin’ny 25 oktobra lasa teo. Fiara miisa 148 no indray nosintonina ny taratasy noho ny sy fahalavorariana hita tamin’ireo fitaovam-pitaterana ireo…

Marobe ny fiara tsy tomombana ara-teknika ka mila fanaraha-maso.

Mitohy hatrany ny hetsika fanaraha-maso notontosain’ny Foibe fitsarana fiarakodia any amin’iny Faritra Avaratry ny Nosy iny, ho fisorohana ny lozam-pifamoivoizana. Nandritra ny hetsika notontosaina ny 19 ka hatramin’ny 25 oktobra lasa teo, 430 ireo fiara nosavaina teny an-dalambe ka taratasina fiara miisa 148 tamin’izany no indray nosintonina noho ny tsy fahalavorariana hita tamin’ilay fiara, izay  lasa « Inaptes » ; 47 hafa kosa, nampidirina am-balam-pamonjana na « Fourrières » satria tsy nanao fitsirihana ara-teknika ary ilàna fanamboarana manokana. Fiara miisa fito no voamarina fa tsy nahavita fandraisana ara-teknika. Fiara miisa 18 nomena fampitandremana  sy toromarika, mba hikojakojany ny fiara ampiasany. Fiara 76 hafa kosa, nahitana tsy fahatomombanana ara-teknika. Ny foibe fitsarana fiarakodia dia manentana hatrany ireo tompona fiara na ny mpamily hikojakoja sy hanamboatra ireo fiarany taorian’izay fihibohana maharitra izay. Mazava, araka izany, fa tokony hanatona ireo Ivon-toerana fitsaràna fiarakodia amin’ny fotoana tokony hanaovany « visite technique » hahafaha-misoroka ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe ateraky ny tsy fahatomombanana ara-teknika. Marihina fa hitohy sy hihamafy hatrany ny fitsirihana tampoka an-dalambe ary hivelatra manerana ny Nosy.

Atrikasa narahina fivoriana…

Tontosa ny fivoriana niaraka tamin’ireo mpandraharaha mpivarotra fiara.

Ankoatra izay, notontosaina tetsy amin’ny Foibe fitsarana fiarakodia, omaly ny atrikasa niarahana tamin’ny  solontenan’ireo Vondron’ny mpandraharaha mpanafatra sy mpivarotra fiara vaovao eto Madagasikara  «Groupement de Concessionnaires Automobiles de Madagascar» mikasika ny fampanarahan-dalàna ny sehatra fanafarana sy fampidirana fiara vaovao eto Madagasikara sy fanamorana ny fikirakirana ny ara-taratasy. Voaresaka sy niadina hevitra maharitra nandritrany fivoriana  ny fanaovana ny fandraisana ara-teknika mialoha ny varotra; ny lalàna mikasika ny laharana WW, izay voafaritra ho ireo fiara vaovao navoaka avy tany amin’ny orinasa nanamboatra azy. Hojerena manokana nandritra ny fivoriana manaraka izay hiarahana amin’ny sampandraharaham-panjakana hafa voakasiky ny sehatra momba ny fiara ny hanitsiana ireo andinin-dalàna efa misy hatramin’izay, mba hifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny. Nahatsapa ny maha zava-dehibe izao fihaonana izao ny roa tonta ary sambany no nisy an’izao nataon’ny Foibe fitsarana fiarakodia ka maniry ny ho tohiny izy ireo..

Fermer