
Songadim-baovaoToekarena
MADAGASIKARA – VONDRONA EOROPEANINA : Tohanana ny sehatry ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra
Manoloana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara sy ny Vondrona eoropeanina, momba ny “fandaharanasa Rindra”. Mitentina 40 tapitrisa euro ny vola natokana momba ny fandaharanasa k any lafiny fambolena sy ny tontolo iainana no tena iompanan’ny fanohanana, mandritra ny volana jolay 2023…

Mitentina 40 tapitrisa euros, na mihoatra ny 137 lavitrisa Ar ny vola natokan’ny Vondrona eoropeanina, amin’ny alalan’ilay famatsiam-bola 11 FED, hanampiana tosika ny sehatry ny fambolena eto Madagasikara. Ny “fandaharanasa Rindra”, izay nosoniavin’ny Vondrona eoropeanina sy ny Fanjakana malagasy, ny taona 2017. Izany fifanarahana izany, dia manankery hatramin’ny 13 jolay 2023. “Tanjon’ity fandaharanasa ity ny fanohanana ny sehatra ara-panjakana misahana ny fambolena, ny fiompiana, ny jono, ary ny tontolo iainana. Goavana ny fanatsarana ny fitaovana hoentina amin’ireo mpamatsy vola amin’ny fanohanana ireo mpamokatra malagasy”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny BACE, Ny Hasina Rakotovao. Amin’ny fiaraha-miasa ny Vondrona eoropeanina sy ny Fanjakana malagasy, ny BACE no enti-mandrindra, hanara-maso ary hitantana ny fanatanterahana io fandaharanasa io, sy ireo tetikasa mifandraika aminy. Miisa fito ny vokatra azo avy amin’ity fandaharanasa ity, raha ny fanampim-panazavana. Mihoatra ny 1095 ha ny valanjavaboary arovana miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Paikady roa fara fahakeliny vao apetraka, ny ao anatin’ny fandaharanasa. Olona miisa 85 voaofana avy amin’ny seha-piofanana, izay ahitana fara fahakeliny 40% vehivavy. Miisa efatra ireo fifanarahana izay atao amin’ireo ratsa-mangaika, misahana ny fikarohana amin’ny sehatry ny fambolena sy ny tontolo iainana. Miisa 22 ireo tahirim-bola ho fampandrosoana, ny ambanivohitra, izay hovatsiana manerana ny Nosy, raha ny fanampim-panazavana.
Hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha
Tsy azo ihodivirana ny fanatsarana ny tontolon’ny fambolena sy ny fiompiana eto amintsika. Ity sehatrasa ity, izay mitana ny 30 %-n’ny harikarena faobe eto Madagasikara. Ny 80%-n’ny Malagasy rahateo, mbola mivelona amin’izany sehatra izany ankehitriny. Ny 2/3-n’ny mponina eto Madagasikara, izay saika monina any amin’ny tontolo ambanivohitra, tantsaha avokoa ny akamaroany. Heverina, araka izany, fa ny “fandaharanasa Rindra”, izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina vola dia isan’ireo paikady napetraka hanatsarana ny fiainan’ny tantsaha. Tantsaha maro rahateo no efa nahazo tombony tamin’izany, nanomboka ny taona 2017, ary hitohy hatramin’ny taona 2023. Tetikasa hamatsiana ara-pitaovana ireo tantsaha maniry ny hiroso amin’ny sehatry ny matihanina kokoa no sady hampiofanana azy ireo amin’ny fanatsarana ny seha-pihariana.


