PolitikaSongadim-baovao
ARPHINE, ROLLY MERCIA, JOHARY RAVOAJANAHARY: Heloka tsotra no nanenjehan’ny fitsarana azy ireo
Hevitra entin’ny mpanohitra hanenjehana ny Fitondram-panjakana ankehitriny indray ny filazana fa manao fahirano mpanao gazety, amin’ny alalan’ny fampidirana am-ponja, ny Fanjakana. Betsaka ny resaka iniana voizina manodidina izany, ary tonga hatramin’ny fandikana vilana izay voalazan’ny lalàna mifehy ny serasera amin’ny Haino Vaky Jery, izay efa manan-kery eto amin’ny tany sy ny firenena.
Misy milaza fa fotoana tokony hivondronan’ny mpanao gazety izao hanoherana ny zavatra ataon’ny Fanjakana noho ny famonjana mpanao gazety nisesisesy tato ato. Anisany anarana voatonona matetika amin’izany I Arphine Helisoa, Rolly Mercia, eo koa Johary Ravoajanahary. Ity farany izay nambaran’ny mpanohitra ho anisany mpanao gazety nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatry ny asa fanaovan-gazety, ka tokony mba heverina izay zava-bitany izay na teo aza ny heloka nataony ivelan’ilay sehatra. Ny zavatra tsara tsindriana dia ilaina avahina ny atao hoe « délit de presse » na heloka mifandraika amin’ny asa fanaovan-gazety sy ny “délit de droit commun” na ny Heloka tsotra. Olom-pirenena toy ny rehetra ny mpanao gazety ka azo enjehina araky ny lalana rehefa manao heloka. Mahakasika an’i Arphine Helisoa manokana, raha tsiahivina, « publication » tao anatina pejy facebook, izay nilaza ny Filohan’ny Repoblika ho mpamono olona, no nanenjehana azy. Natao tamin’ny teny frantsay, anglisy ary teny malagasy io “Publication” io, ary sady tsy lahatsoratra fanadihadiana no tsy lahatsoratra fitateram-baovao. Azo ambara avy hatrany, araka izany, fa tsy amin’ny maha mpanao gazety azy no nampidiran’ny fitsarana azy am-ponja vonjimaika, fa amin’ny maha olom-pirenena tsotra azy. Tsy ny minisiteran’ny serasera akory aza no nanenjika azy.

Tsy heloka tamin’ny asa fanaovan-gazety
Samy tsy heloka mifandraika amin’ny asa fanaovan-gazety avokoa, na ny raharaha mahakasika an’I Rolly Mercia, na ny mahakasika an’I Johary Ravoajanahary. Marina tsy azo lavina fa mpanao gazety I Rolly Mercia. Ny hanenjehana azy ankehitriny anefa tsy misy hifandraisany amin’ny maha mpanao gazety azy velively. Raha tsiahivina, fanohitohinana filaminam-bahoaka, « Atteinte a la surete de l’Etat », no hanenjehana azy. Voarohirohy tamin’ny hetsika teny Ambohipo izay mahavoasaringotra an-dry Be Rija sy ny namany ny tenany. Izany hoe, tsy misy hifandraisany amin’izay lahatsoratra mety nosoratany, na izay famakafakana mety ho nataony ny fanenjahena azy. Midika izany fa tsy misy idiran’ny minisitera misahana ny serasera mihitsy io raharaha io. Ary koa, tsy misy idiran’ny lalana 2020-006 momba ny serasera amin’ny haino vaky jery ihany koa. Etsy ankilany, mahakasika an’I Johary Ravoajanahary, niarahana nandre sy nahita ihany koa fa resaka “fanodikodinam-bolam-panjakana”, fony izy mbola Tale Jeneralin’ny ORTM no antony nidirany am-ponja vonjimaika, izay mbola iandrasany ny fotoam-pitsarana. Tsara ho fantatra fa nisy fotoana nanaovan’ny “inspection d’Etat” fanadihadiana tao amin’ny ORTM. Nandritra izany no nahitana ny fandikan-dalàna ka nanaovan’ny IGE “recommandations” nandefa ny raharaha teny amin’ny fitsarana. Ny ORTM, izay tsy hafa fa rafitra eo ambany fifehezan’ny Minisiteran’ny serasera sy ny Kolontsaina (MSK). Izany hoe ny MSK no minisitera mpiahy ny ORTM. Rariny, arak’izany, raha ny Ministera no manao ny fitoriana.
Tsy misy ambonin’ny lalàna
Ny teboka tsara ho tsindriana dia tsy mametraka ny mpanao gazety ho ambonin’ny lalàna mihitsy ny sata maha mpanao gazety azy, na ny maha-olo-malaza. Naka ohatra ny depiote Fidèle Razarapiera, nandritra ny fandaharana nataony, hoe raha misy olona nahazo prix nobel ve ka nanao fampirafesana, dia tsy hijerena ilay “prix nobel” azony ve ilay hadisoana nataony?. Tahaka ny te hiteny hoe tokony tsy helohina ilay olona satria manana “prix Nobel”. Ny tantaran’I Harvey Weinstein, ilay mpanatontosa horonantsary Amerikanina iray malaza, izay nahazo mari-pankasitrahana maro, no azo hamaliana izany. Izy izay voaheloka fa nanolana mpanao sarimihetsika vehivavy am-polony maro. Nampidirina am-ponja izy, ary nesorina taminy ny mari-pankasitrahana rehetra azony, vokatry ny heloka nataony. Entina hilazana fa tsy ny maha olo-malaza azy no maha ambony lalana azy. Mitovy tsy misy valaka amin’izay koa, tsy ny sata maha-mpanao gazety ny olona iray no tsy hahafahana manenjika azy raha nisy hadisoana nataony, indrindra fa heloka toy ny fanodinkodinam-bolam-panjakana.




