Songadim-baovaoToekarena

FANATSARANA NY TANAN-DEHIBE: Manokana vola 3 miliara dolara ny Fanjakana

Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, olona miisa 9 tapitrisa no monina amin’ny tontolo andrenivohitra ankehitriny. Izy ireo izay mitsinjara amin’ireo tanana voasokajy ho renivohitra miisa 172 eto Madagasika. Raha ny fanadihadiana, hiakatra avo roa heny io isa io afaka folo taona, manolona ny fihazakazaky ny fifindra-monina antanan-dehibe. Arakaraky ny hitombon’ny olona anefa no hitomboan’ny olana. Na izany aza anefa, ny roa ampahatelon’ny harinkarena faobe eto amintsika dia saika mihodina eo amin’ireo tanan-dehibe avokoa. Ny fampiasam-bolan’ireo mpandraharaha sy ny fitsanganan’ny orinasa maro an-drenivohitra no mahatonga io tarehimarika io. Araka izany, mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny sehatry ny toe-karena eto amintsika ny tontolo andrenivohitra. Antony namolavolan’ny Minisitera tompon’andraikitra ny Politikam-pirenena hampiroboroboana ny tanàn-dehibe. Ho fanatanterahana izany dia hisy tetikasa ho tanterahana, ahitana fandaharanasa enina izay vinavinaina ho tanterahana ao anatin’ny folo taona ho avy.

Fandaharanasa enina

Noho ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra tsy miankina, vola mitentina 3 milliara dolara no vinavinaina hanatanterahana ny tetikasa, araka ny fanazavana. Fandaharanasa enina no hita ao anatin’ny tetikasa, izay miompana amin’ny fananganana tanàna vaovao, fametrahana fotodrafitrasa, fanatsarana ny tanàna ankapobeny, ny fanatsarana sy fanitarana ny fampidiran-drano sy jiro. Nilaza ny Minisitra Andrianainarivelo Hajo fa efa voalamina sy voarindra avokoa ny Politika entina manatanteraka izany. Antony nanaovana, rahateo koa, ny latabatra boribory niarahana tamin’ireo mpiara-miombona antoka ara-bola sy ara-teknika. Araka ny fanazavana, efa nisy ny asa natomboka tamin’ny tetibolan’ny minisitera manokana amin’ireo asa notanisaina ireo. Isan’izany ny fanamboaran-dalana andrenivohitra. Ny minisitra tompon’andraikitra izay nanararaotra nilaza fa ny fanaovana tanàna vaovao no vahaolana ho an’Antananarivo fa tsy fandravana, indrindra raha ny hamaroan’ny mponina no asian-teny.

Fermer