PolitikaSongadim-baovao
LAHARAN’NY KANDIDA LOHOLONA: Vita ny fisarihana, hanomboka ny 19 Novambra ny fampielezan-kevitra
Iray volana mahery mialohan’ny datin’ny 11 Desambra, mizotra amin’ny antsakany sy andavany ny fanomanana ny fifidianana Loholona ho antsika eto Madagasikara. Tontosa omaly tokoaa mantsy ny fisarihana ny laharan’ireo kandida anaty anaty bileta tokana. Ary efa samy mitodika any amin’ny fanomanana ny fampielezan-kevitra ny mpisehatra amin’izany, izay hanomboka ny 19 Novambra izao.
Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy, ny Alakamisy 29 Oktobra teo, ny lisitra ofisialin’ireo kandida amin’ny fifidianana Loholona atao ny 11 Desambra izao. Tsy niandry ela fa omaly ihany dia niroso avy hatrany tamin’ny “tirage au sort”, na ny fisarihana ny laharan’ireo kandida anaty bileta tokana, ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Nirindra araka ny tokony ho izy ny fanatanterahana izany. Fotoana izay natrehin’ny avy eo anivon’ny Ceni sy ny mpanao gazety. Ho an’ny teto amin’ny faritanin’Antananarivo, eo amin’ny laharana voalohany ny lisitra avy amin’ny “Isika rehetra miaraka amin’ny Andry Rajoelina” na ny IRD, faharoa kosa ny lisitra malagasy miara-miainga na MMM, ary ny lisitra tsy miankina Faly no laharana fahatelo. Ho an’ny faritanin’Antsiranana, laharana voalohany ny lisitra IRD, lisitra tsy miankina Lemoine Soloniaina Hermann ny faharoa, ary fahatelo ny lisitra tsy mainkina BEMATANA Martin. Mahakasika ny faritanin’I Fianarantsoa, laharana voalohany ny lisitra tsy miankina Fanorolahy – IAD, manaraka azy kosa ny lisitra IRD. Etsy ankilany, laharana voalohany avy hatrany ny kandida tokana avy amin’ny IRD, ao amin’ny faritanin’I Mahajanga. Misy lisitra telo kosa ny Faritanin’I Toamasina, ka voasarika voalohany tamin’zany ny lisitra MMM, faharoa kosa ny lisitra tsy miankina Mbahiray, ary ny IRD no eo amin’ny laharana fahatelo. Ho an’I Toliara, eo amin’ny laharana voalohany ny lisitra tsy miankina Vahoaka Miray Mandroso, ary eo amin’ny laharana faharoa kosa ny lisitra IRD. Ireo lisitra mpilatsaka hofidiana tsirairay avy ireo dia hanana anjara fampielezankevitra ao amin’ny haino amanjerim-pirenena ary natao omaly ihany koa ny fisarihana ny laharana amin’izany fotoam-pitenenana amin’ny haino amanjerim-pirenena izany.
Manana telo minitra avy ny Kandida
Araka izany, efa mitodika any amin’ny fanomanana ny fampielezan-kevitra avokoa ireo mpisehatra rehetra amin’izany fifidianana Loholona izany ankehitriny. Na ny eo anivon’ny Ceni, na indrindra koa, ireo kandida tsirairay. Mahakasika izay indrindra, fantatra fa manana ny anjara fotoany tsirairay ireo kandida ao amin’ny haino aman-jerim-panjakana, izay handeha mandritra ny fotoan’ny fampielezan-kevitra. Izany dia ampaham-potoana hahafahany mandresy lahatra ireo mpifidy vaventy. Efa voafaritra daholo ny anjara fotoan’ny kandida tsirairay avy ka anjarany no mampiasa azy, hoy ny fanazavana. Raha toa ka misy ny lisitra kandida izay tsy mahatonga ny fampielezan-keviny tokony ho alefa dia banga eo ny anjara fotoany, fa tsy azon’ny lisitra kandida hafa ampiasaina. “Manana telo minitra isanandro ny lisitr’ireo kandida, na avy aiza na avy aiza, ary tsy maintsy hajaina izany”, hoy ny mpampaka teny. Etsy ankilany, mbola ny lalàna fehizoro 2018-008, izay mikasika ny fitondrana ankapobeny ny fifidianana sy ny fitsapakevi-bahoaka, no mirakitra ireo ireo fepetra miisa folo izay voalazan’ny andininy faha-58 ho tsy maintsy harahin’ny rehetra. Isan’izany ny tsy fahafahana mampiasa ny fitaovam-panjakana sy ny fahefam-panjakana. Eo koa ny fanaovana fanambarana mialoha amin’ny tompon’andraikitra isan-tokony mahakasika ireo hetsika rehetra mety hatao. Tsara marihana fa maharitra 21 andro ny fampielezan-kevitra, izay hanomboka ny 19 Novambra izao , ka hatramin’ny 09 Desambra, misasak’alina.




