PolitikaSongadim-baovao

TETIBOLAN’NY FARITRA ANALAMANGA : Harafitra miainga amin’ny filàn’ny kaominina tsirairay

Mampiavaka ny Fitondram-panjakana mijoro ankehitriny ny famolavolana tetibola sy tetikasa miainga avy eny ifotony. Isany mampihatra izany ny avy eo anivon’ny Fiadidiana ny Faritra Analamanga. Antony hahatanterahan’ny Governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, sy ny mpiara-miasa aminy fidinana ifotony any amin’ireo Distrika mandrafitra ny Faritra Analamanga. Tanjona ny hihainoana ny hetahetan’ny kaominina tsirairay avy, amin’ny alalan’ny famoriana ireo ben’ny tanàna. Ny Alakamisy 29 Oktobra lasa teo, dia nitohy tany Manjakandrina indray ny fidinana ifotony eny amin’ireo nataon’ny Governoran’ny Faritra Analamanga sy ireo mpiara miasa aminy hifampidinihana sy hifampitafana  amin’ireo olom-boafidy rehetra tao amin’ny Distrikan’i Manjakandrina. Ben’ny tanana 25 sy ny Filohan’ny mpanolon-tsainan’ny Tanàna no niara-nivory tamin’ny olon’ny Faritra Analamanga tamin’izany.

Fihaonana amin’ny ben’ny tanàna

Araka izany, tanjon’ny Faritra ny hihainoana ny hetahetan’ireo Ben’ny tanana ka hahafahana manatanteraka ireo izay asa fampandrosoana laharam-pahamehana eny ifotony. Nandritra ny fihaonana tao Manjakandriana dia nisesy ny fandraisam-pitenenan’ireo ben’ny tanàna. Ary naravon’ny avy eo anivon’ny Faritra izany, mba hahafahana mitondra vahaolana avy hatrany, niainga tamin’ny fangatahan’ny ben’ny tanàna tsirairay. Nandritra izany no nanambaran’ny Governoran’Analamanga fa tetikasa azon’ny Faritra Analamanga tohanana tsara daholo ny laharam-pahamehan’ny Kaominina tsirairay. Tamin’ny ankapobeny, manodidina ny lafiny fitsaboana, tsena, sekoly, rano fisotro madio ny fangatahan’ireo ben’ny tanàna. Ary indrindra koa, olana iraisan’ny rehetra ny faharatsian’ny lalana. Antony handefasan’ny Faritra Analamanga fitaovana fanamboaran-dalana any an-toerana, hahafahana mamita ireo ampahan-dalana tena manahirana ny vahoaka, izay mampitohy Kaominina maro. Nohamafisin’ny Governora hatrany fa tsy misy fijerena antoko politika ny fampandrosoana ny tanàna satria miainga avy eny ifotony ny tena fampandrosoana marina ka mila miara miainga ny kaominina rehetra ato Analamanga raha tiana ho tanteraka izany fampandrosoana any Madagasikara izany.

Fermer