SamihafaSongadim-baovaoSosialy
TRANGA NIAVAKA TANY ATSIMO: Tafio-drivotra nampitorajofo fasika
Tsy dia fahita matetika loatra teto Madagasikara hatramin’izay fa nisy tao Ambovombe sy Ampanihy ny Alakamisy 29 Oktobra teo ny tafio-drivotra nampitorajofo fasika, fantatry ny maro amin’ny hoe “tempête de sable” na “tempête de poussière”. Lazain’ireo mpahay siansa sy ny manam-pahaizana amin’ny famatarana ny toetrandro ho “chasse de sable” kosa. “Tiomena” kosa no fiantsoa azy amin’ny teny malagasy.
Araka ny fanadihadiana, any Afrika andrefana, Afrika avaratra sy Afovoany ,Moyen orient ary Sahara no tena ahitana azy io matetika. Ho an’I Madagasikara manokana, fanindroany zao no nahitana ity tranga ity. Raha tsiahivina, tamin’ny fandalovan’i Papa teto Madagasikara no voalohany, ary ity tao Ambovombe sy Ampanihy ity no faharoa .
(Loharanom-baovao : BNGRC)



