Toekarena
TONTOLO IAINANA: Hamafisina ny fiarovana ny fonenan’ny Varika
Miisa 113 ireo karazana Varika misy eto Madagasikara. Ny 24 amin’ireo anefa dia atahorana ho lany tamingana noho ny fahasimban’ny toeram-ponenany, araka ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovainjafy. Karazam-biby mampiavaka an’i Madagasikara anefa ny Varika, ary manan-danja amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ihany koa. “Manampy amin’ny fampitomboana ny velaran’ala izy amin’ny alalan’ny fanapariahana ireo voa avy nohaniny izay tavela anatin’ny malotony”, araka ny fampitam-baovao.
Ho fanamarihana ny Androm-pirenena ho an’ny Varika ny 30 Oktobra lasa teo, dia nisy ny fiaraha-mientan’ireo mpisehatra eny ifotony isaky ny Faritra rehetra manerana ny Nosy. Ho an’ny Faritra Vakinankaratra dia tao amin’ny Faritra Arovana Tsinjoarivo-Ambalaomby no nankalazana izany. Fotoana izay noentina nampatsiahivana sy nanentana ireo olom-pirenena mahakasika ny lanjan’ny Varika eo amin’ny tontolo iainana, ny toekarena sy ny sehatry ny fizahantany ary ny fikarohana ara-tsiantifika. Nandray anjara tamin’izany hetsika izany ny ONG Sadabe sy ireo Vondron’Olona ifotony (VOI Fanantenana Maitso, VOI Ezaka Soamaitso, VOI Fitsinjo) izay manampy amin’ny fitantanana ny NAP Tsinjoarivo. Tetsy ankilany, firotsahana ifotony sy fanentanana ary fampahafantarana ireo mponina tao Maintirano mahakasika ny Varika sy ny fiarovana ny toeram-ponenany kosa no noentin’ny Dredd nanamarika ny fankalazana. Ohatra ihany ireo fa saika nanana ny fomba nentiny nankalazana azy ny isam-paritra. Tanjona ny hampahafantarana ny olona ny maha sarobidy ny Varika.




