KolontsainaSamihafaSongadim-baovaoSosialy
FIFANINANANA ROBOTIKA : Madagasikara no nahazo ny mari-pankasitrahana betsaka indrindra
Mitaha amin’ny isan-taona, nitana ny sain’ny mpanara-baovao ny Fifaninanana iraisam-pirenena amin’ny Robotika « First Global Challenge » tamin’ity taona ity. Antony lehibe nahatonga izany ny fanohanan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tamin’ny lafiny maro. Izay ihany koa no nahazoan’ny ekipa laharana tsara sy mari-pankasitrahana betsaka indrindra tamin’ireo firenena 190 nandray anjara, araka ny valin’ny lalao farany, ny sabotsy teo.
Fandresena goavana, tsy ho an’ny ekipa nasionaly ihany, fa ho an’ny Malagasy manontolo, no azon’I Madagasikara tamin’ilay lalao fifaninana robotika, « First Global Challenge », tamin’ity taona ity. Nivaly ny 31 Oktobra teo tokoa mantsy ity fifaninanana ity. Fotoana izay nahalalana fa fahadimy tamin’ireo firenena 190 nandray anjara tamin’ny fifaninanana no misy an’I Madagasikara. Ny fitambaran’ny isa azo nandritra ny telo volana nanaovana ny fifaninanana no nahazoana izany toerana izany. Ankoatra izay, Madagasikara no nahazo ny laharana fahatelo, nisitraka ny medaly alimo tamin’ny “International Journey” na “Sofia Kovalevskaya Award”, izay azon’ireo ekipa telo mendrika indrindra nahavita tamin’ny an-tsakany sy an-davany ny fifaninanana. Isan’ireo firenena nahazo ny lokan’ny « mentor » mendrika indrindra koa isika Malagasy, na ny Outstanding Mentor Award. Tetsy ankilany, anatin’ny ekipa 52 nahazo mari-pankasitrahana manokana ny ekipa nasionaly malagasy. Tsy iadian-kevitra, noho izany, fa tsara toerana I Madagasikara tamin’ny fifaninanana, ary anisan’ireo firenena nahazo mari-pankasitrahana betsaka indrindra.
Fahadimy maneran-tany
“Ny fisian’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no nahavitànay nanoratra ny tantara tsara indrindra nandritr’ity fifaninanana FIRST Global Challenge 2020 ity ka nahazoan’i Madagasikara ny médaille de bronze”, hoy ny avy eo anivon’ny First Global Challenge. Ireto farany izay nisaotra sy nankasitraka ny ezaka rehetra nataon’ny Minisitera ho fanohanana ireto ekipa nasionaly izao. Etsy ankilany, nilaza ny avy eo anivon’ny Minisitera fa rehefa manohana dia manohana hatramin’ny farany. « Mirehareha izahay manana anareo » hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, nandritra ny fandraisam-pitenena nataony, tamin’ny lanonam-pamaranana ny fifaninanana. Efa fandresena goavana ho an’i Madagasikara izao laharana misy azy izao amin’ny firenena 190 ary mendri-piderana tanteraka, hoy izy. Fandresena goavana ihany koa ny asa sy ny ezaka nataon’ny tanora ekipam-pirenena malagasy, sy ny fahaizany miara-miasa, hoy hatrany fanazavana. Marihana fa nisy ny lanonana natao tao amin’ny tranoben’ny ORTM Anosy nahafahana nanaraka mivantana ny lanonam-pamaranana ny « First Global Challenge », ny Sabotsy teo. Raha tsiahivina, noho ny areti-mandoza tamin’ity taona 2020 ity dia natao manontolo tamin’ny internet ny fifaninana, toy izany ihany koa izao lanonam-pamaranana iraisam-pirenena izao. Tonga nanatrika izany niaraka tamin’ny ekipam-pirenena malagasy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo. Ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina izay niahy sy nanampy azy 5 mianadahy nandritra ity fifaninana 2020 ity. Tsara marihana fa anisany mbola handray anjara amin’ny fifaninanana robotika andiany manaraka ny roa amin’izy dimy mianadahy ireo, noho izy ireo mbola tafiditra ao amin’ny fetra taona takiana amin’izany. Tanjona ihany koa ny hitazomana ny fahaiza-manao efa nananan’izy ireo.



