
Fanadihadiana Manokana
FAMETRAHANA NY CSAO : Itondrana fandriampahalemana maharitra ho an’ny vahoaka
Miroso amin’ny fahavitana fotodrafitrasa isan-karazany ny Fitondram-panjakana ankehitriny. Isan’ireo fotodrafitrasa notokanana ny zoma lasa teo, ny Toby CSAO tao Beravina, Faritra Melaky, ametrahana ny fandriampahalemana maharitra ho an’ny vahoaka. Andrandrain’ny mponina eny ifotony ny hisian’ny fampandrosoana maharitra, amin’ny alalan’ireo fotodrafitrasa napetraka. Fanadihadiana…

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny Toby « Centre Spécial d’Aguerrissement Opérationnel » na (CSAO) an’ny Zandarimaria ao Beravina, Faritra Melaky, ny zoma 30 oktobra 2020 lasa teo. Toby iray izay natao hamongorana ny asan-dahalo amin’iny Faritra iny sy ireo faritra mifanila tanàna aminy. Tonga nanome voninahitra ny fotodrafitrasa, izay tetikasan’ny Filoham-pirenena, ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena (SEG) sy ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena (COMGN), izay notronin’ireo Tomponandraiki-panjakana sivily sy miaramila ary olom-boafidy maro. Nasongadin’ny Seg Jly Ravalomanana Richard fa « mila mifanome tanana ny olom-pirenena rehetra ho amin’ny fampandrosoana fa tsy ho lany andro amin’ny adilahy politika, indrindra amin’ny fanatontosana fotodrafitrasa tahaka izao ». Nambarany nandritra ny fanokanana izao fotodrafitrasan’ny Filoham-pirenena izao, ny ezaka vitan’ny Fitondram-panjakana tao anatin’ny herintaona monja, izay santionany ny CSAO, toby entina hamongorana ny asan-dahalo sy ny asan-jiolahy. Nanentana ny olona, mba tsy hatahotra fa ny dahalo sy ny mpiray tsikombakomba aminy no tokony hihorohoro.
Fanamboarana fotodrafitrasa isan-karazany

Olana any amin’ny Faritra Melaky iny, ny karazana fotodrafitrasa isan-karazany, hampandrosoana ny tanàna sy ny Faritra. Nandritra ny fitokanana ny CSAO tao Beravina no nanambaran’ny ben’ny Tanànan’i Beravina, ny amin’ny tokony hanamboarana ny lalana mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano. Isan’ny fangatahana nataony koa ny fanamboarana ny sekoly manara-penitra, Kianja manara-penitra, fanamboarana ny Biraon’ny borigadin’i Beravina izay efa antitra loatra, ary ny hisitrahana rano fisotro madio..
Isan’ireo nisaotra ny Fitondram-panjakana, ny depiote Voninahitsy Jean Eugène, voafidy tany an-toerana. « Isaoranay manokana ny Fitondram-panjakana amin’ny fanomezana fotodrafitrasa tahaka izao. Fantatray tsara fa tena hanao zavatra ny Filoha Andry Rajoelina ary izay no antony isaoranay azy noho ny fahavitan’izao fotodrafitrasa izao », hoy izy. Nasongadiny ny fangatahana fiaraha-miasan’ny Zandary sy ny mpiray dina. Ankoatra ireo, ny hametrahana oniversite manara-penitra ao Maintirano. Hetahetan’izy ireo amin’ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena ny hamitana malaky ny faha- 423 kaompania ao Antsalova sy ny faha- 424 kaompania ao Morafenobe. Mangataka ny fahatongavan’ny Filoham-pirenena amin’ny fitokanana ny toby miaramila ao Morafenobe izy ireo.

Fitarainana isan-karazany…
Isan’ireo nitarainan’ny sefo fokontany rehetra ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Beravina, ny tsy fahazoana tambin-karama, ny taona 2019-2020 iray manontolo. Ho an’ny sehatry ny fampianarana indray, fitarainan’ireo mpampianatra ao amin’ny CEG sy EPP ao amin’ny ZAP Beravina, ny fahazoana fanampiana ho an’ireo mpampianatra Fram roa ao amin’ny CEG Beravina. Ankoatra io, mangataka ny fanafainganana ny fanorenana ny fotodrafitrasa ho an’ny CEG Beravina, ny any an-toerana fa trano indramina no misy ao sady anaty Tsena. Tsy latsa-danja ny hanorenana fotidrafitrasa ho an’ny EPP Beravina, izay efa antitra loatra ka atahorana sao dia hirodana ka handratra mpianatra.

Nandritra ny lanonana fitokanana, nisy ny seho manokana nataon’ny SEG sy ny COMGN amin’ny fiasan’ireo fitaovam-piadiana maherivaika. Zandary anjatony no voatendry sy efa tafapetraka hiasa ao amin’ity Toby ity miaraka amin’ireo fitaovana vaovao sy manara-penitra. Velom-panantenana ireo vahoaka tao an-toerana fa ho afaka hamokatra am-pitoniana manomboka izao. Amperinasa avy hatrany ireo Zandary miisa 100 vao nivoaka avy tany amin’ny sekoly fanofanana, ka hapetraka ao amin’ny toby CSAO Beravina, ao amin’ny Faritra Melaky.