Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIFANDONANA MAHERY VAIKA : Dahalo valo indray maty lavon’ny zandary

Taorian’ny nahafatesan'ny lehiben’ny Paositry ny zandary tao amin’ny kaominina ambanivohitra Etrotroky Farafangana, ny herinandro lasa teo. Nahazo loharanom-baovao ny kaompanian’i Farafangana momba ireo dahalo nahavanon-doza, ka nisy ny fidinana ifotony sy fifandonana. Dahalo valo indray lavo nandritra ny fifampitifirana, ny farany herinandro lasa teo….

Isan’ireo dahalo lavo nandritra ny fifandonana.

Taorian’ny  nahafatesan’ny GPHC Rahendrimanantenaina Apollinaire William nandritra ny fanafihan-dahalo ny herinandro lasa teo, tao amin’ny kaominina ambanivohitra Etrotroky, distrikan’i Farafangana. Nisy ny loharanom-baovao azo avy amin’ny olona tsara sitrapo, mahakasika ireo dahalo nahafaty ity zandary ity. Tsy niandry ela, fa nanatanteraka  fidinana ifotony tany an-toerana ireo zandary notarihin’ny Lt Andrianina Rakotoarivelo OA3 avy amin’ny Kaompanian’i Farafangana. Tonga tao amin’ny fokontany Vohitsidy anatin’ny kaominina Etrotroky, distrikan’i Farafangana izy ireo, ny afakomaly hariva. Tao anatina tanàna amina trano vitsivitsy no raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ireo zandary.

Ampahany amin’ireo fitaovana tany amin’ireo dahalo.

Fifandonana mahery vaika no niseho tamin’ny roa tonta satria nisy ny fifamaliana tifitra teo amin’ireo mpitandro filaminana sy ireo dahalo.  Ireto farany, izay nampiasa fitaovam-piadiana mahery vaika sy famaky ary lefona. Vokany, nahatratra valo ireo dahalo indray maty lavon’ny zandary, raha naratra ny iray, saingy tafatsoaka. Basim-borona iray sy famaky maromaro  niaraka tamin’ny moara no sarona niaraka tamin’ireo dahalo ireo. Ny avy amin’ny zandary kosa, tsy nisy ny maty na naratra. Tsy nanohy ny asa fanenjehana ireo olon-dratsy izy ireo, noho ny andro efa miha alina. Na izany aza, tsy nanaiky nilefitra mihitsy ireo mpitandro filaminana, manoloana ireo dahalo, izay nahafaty ilay zandary namany.

Fermer