Songadim-baovaoToekarena

FITRANDRAHANA HAZO : Narindran’ny Fanjakana ny famoahana ireo tahirin-kazo tsotra

Andramena, Voamboana, Hazomainty, ireo no anisany hazo sarobidy mampiavaka an’I Madagasikara, mitaha amin’ny firenen-kafa. Tsy ireo ihany anefa fa misy koa ireo hazo tsotra, izay sady ananan’i Mdagasikara betsaka no miantoka ny fiainan’ny mponina amin’ny andavanandro mihitsy. Nanapa-kevitra ny hamerina ny fahazoana mamoaka ireo tahirin-kazo tsotra ny Fanjakana, saingy tsy maintsy narindra, ary misy fepetra hentitra mifanaraka amin’izany.

Araka ny tatitry ny Filan-kevitry ny Minisitra ny 21 Oktobra 2020 teo, “Azo atao ny mivarotra sy mampiasa ireo tahirin-kazo tsotra entina handaminana ny sehatra miasa amin’ny hazo tsotra. Saingy raràna kosa ny fivarotana sy fanondranana izany any ivelany. Ireo vokatra efa voarafitra ihany no azo haondrana”. Nitondra fanazavana bebe kokoa mahakasika io fampahafantarana io ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (Medd), omaly, tetsy Ambatobe. Fantatra nandritra izany fa ho tanterahana ny famoahana, izany hoe ny fitaterana, fanodinana, fivarotana, ireo tahirin-kazo tsotra, ho an’ireo mpitrandraka nahazo fahazoan-dalana, izay nanakery hatramin’ny 29 Janoary 2019. Izany no natao, mba hitsinjovana ny famatsiana ny tsena anatiny, amin’ny vokatra hazo, ary ihany koa hijerena manokana ireo seha-pihariana hazo mifandraika amin’izany. Nilaza ireo tompon’andraikitra fa hisy ny fepetra manokana hanarahana akaiky ny fizohina sy famoahana ireo tahirin-kazo ireo. Tsipihana amin’izany ny fisian’ny fanamafisana ny fanarahamaso ny fivezivezen’ny vokatry ny ala, mba ho fisorohana ny mety ho tsy fanarahan-dalàna. Mikasika ny fanondranana ireo hazo tsotra, voahodina, izany hoe “produit fini”, avy amin’ny ala voajanahary, sy ala na hazo nambolena, dia averina ny fahazoana manondrana ireo vokatra ireo, ao anatin’ny fanajana ireo fepetra rehetra manankery, mifehy ny asa fanondranana.

Voarara ny fitrandrahana hazo sarobidy

“Mbola voarara ny fitrandrahana, ny fitaterana, ny famindran-toerana, ary ny fanondranana ireo hazo sarobidy rehetra, toy ny andramena, ny voamboana, ary ny hazo mainty”, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Medd.  Etsy ankilany, mikasika ireo fahazoan-dalana mitrandraka any anaty ala voajanahary, izay naato tamin’ny naoty laharana 01/19/MEDD/Mi, izay nivoaka ny 19 Janoary 2019, dia mbola miato aloha ireo mandra-pisy fanapahan-kevitra vaovao, izany hoe, mijanona ny fanapahana hazo vaovao. Ankoatra izay, anisany nandraisan’ny Fanjakana, tamin’ny alalan’ny Medd, fepetra ihany koa ny mahakasika ny ala nambolena, ny faritra arovana, ary ny Zo nentim-paharazana. Araka izany, tsy misy ny fiovana ny fepetra mahakasika ny fanomezana fahazoan-dalana mitrandraka, manao arina sy kitay, mitatitra, mivarotra ary manondrana vokatra voahodina, avy amin’ny fitrandrahana ala nambolena, izany hoe, toy ny kininina, kesika, mokinazy,  saingy tsy maintsy manaraka hatrany kosa ny drafi-panajariana, ary koa fehezin’ny fepetra rehetra, mifandray amin’izany seha-pihariana izany. Heloka ny fitrandrahana, ny fanapahana hazo, ny fihazana biby, ary ny fanakorontanana na ny fanimbana ny faritra arovana rehetra, ary mahavoasazy araka ny lalàna manan-kery, ny fandikana izany.

Na izany aza, notsindriany ny avy eo anivon’ny Medd fa afaka misitraka zo nentim-paharazana ireo olona manamorona ny ala. Ny vokatra azo amin’izany dia tsy azo amidy fa ampiasain’ny olona manamorona ny ala fotsiny ihany, ary tsy maintsy mahazo ny fankatoavana avy amin’ny tompon’andraikitra mahefa izany fampiasana ny zo nentim-paharazana izany, isan’izany ny vondron’olona ifotony, ny fikambanana, ny vaomieran’ny ala, ary koa ny sampan-draharaha misahana ny ala. Ary koa, tsy maintsy manaraka hatrany fepetra rehetra voalazan’ny fitsipi-pitantanana, araka ny fanazavana hatrany.

Fermer