“Tsy misy ny Fampihavanana raha tsy eo ny Firaisankina satria “Voin-kava-mahatratra” ary trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena hialofana…”. Io no ampahany tamin’ny fanambaran’ny CFM na ny Filan-kevitry ny Fampihavanana Malagasy omaly. Ity rafitra ity izay nanao antso firaisan-kinam-pirenena manoloana ny fahoriana ateraky ny haintany mianjady amin’ireo mpiray tanindrazana any Atsimo. Manentana ny rehetra, araka izany, ny CFM mba hanome fanampiana ireo ianjadian’ny Kere mba hahafahan’izy ireo miatrika ny zava-misy any an-toerana. “Mafy dia mafy ny manjo ireo havantsika ireo, mijaly ary mamoy ny aina mihitsy aza”, hoy ny CFM. Marihana fa mialoha izao antso ataon’ny CFM izao dia efa maro ireo nitondra tolo-tanana ho an’ny mpiray tanindrazana any Atsimo , teny amin’ny BNGRC. Nisongadina tamin’izany ireo Solombavambahoaka izay nitondra vary 8,5 taonina, ny faraparan’ny herinandro teo. Tsy nanadino ny naneho fisaorana ireny efa nanolotra fanomezana ireny, araka izany, ny CFM. “Misaotra ary mankahery hatrany ny mpitondra mba tsy hikely soroka ka hanohy sy hikaroka vahaolana maharitra amin’izao hanoanana lavareny izao”, hoy hatrany CFM.




