Trangam-piaraha-monina

LEHIBEN’NY PAOSITRY NY ZANDARY VOATIFITRA: Nanome baiko hikarohana haingana ireo nahavanon-doza ny SEG

Tsy ny fianakaviany ihany no marary nilaozan’ireo mpitandro filaminana lavo am-perinasa, indrindra teo anatrehan’ ireo fifandonana tamin’ny olon-dratsy, fa ireo mpitandro filaminana namany koa, izay very olo-manga tia tanindrazana. Nanome baiko ny zandary hikarohana ireo nahavanon-doza namono ilay lehiben’ny Poste Fixe Etrotroky ny lehiben’ny zandary…

Ankoatra ny fanaovam-beloma ilay Zandary Fototra kilasy manokana, Rahendrimanantena Appolinaire William, lehiben’ny tobin’ny Zandary ao Etrotroky Farafangana, ny sabotsy lasa teo tetsy amin’ny Toby Ratsimandrava, nanome baiko ny hikarohana faingana ireo nahavanon-doza, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria, Jeneraly Ravalomanana Richard. Baiko hentitra no napetrak’ity tompon’andraikitra voalohan’ny zandary ity, nandritra ny fandraisany fitenenana, fa tsy maintsy atao izay hahatrarana ireo namono ity lehiben’ny Poste Fixe ao Etrotroky, ity. Nambarany koa, fa efa any an-toerana ireo zandary mpanao famotorana mikasika ity raharaha ity. Manampy ireo zandary amin’izao fikarohana izao koa, ny eo anivon’ny Tafika malagasy sy ny Polisim-pirenena any an-toerana. Fantatra omaly, fa efa nisy ampaham-bokatra izao fikarohana olon-dratsy izao. Nampiakarina teo amin’ny laharam-boninahitra « Zandary Fototra kilasy manokana » (Gendarme Principal Classe Exceptionnel) ity zandary lavo am-perinasa ity, araka ny didim-panjakana. Nosalorana ny mari-boninahi-pirenena « Chevalier de l’Ordre National à titre posthume » ihany koa. Raha tsiahivina, lavon’ireo dahalo teo am-panatanterahana ny asany izy, ny alin’ny alakamisy 29 oktobra lasa teo, tamin’ny 10 ora alina, tao Lohatranambo, kaominina Ambohigogo distrikan’i Farafangana. Nilaza handray an-tanana hatramin’ny farany ny vady aman-janak’ity zandary lavo ity, ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena. Ny Zandary fototra kilasy manokana, Rahendrimanantena Appolinaire William, dia nivoaka tamin’ny andiany faha-55, mpianatra ho zandary. Efa nahazo mari-pankasitrahana maro nandritry ny fotoam-piasany izy. Lehilahy nahavita be tokoa raha ity lehiben’ny paositry ny zandary ao Etrotroky ity, ary tsy nitsaha-niezaka sy nitolona tamin’ny fiainany manontolo. Izay no tsapa nadritra ny 23 taona sy 28 andro nanaovany ny raharaha miaramila. Natolotra tamin’izany koa ny Roa tapitrisa Ariary nampanantenain’ny SEG, ho an’izay nahita sy nahasambotra ilay gadra nitsoaka antsoina hoe Zemela, ho an’ny zandary tany an-toerana. Efa maro ireo zandary lavo am-perinasa, raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany, na dia tsy mbola misy antontanisa mazava mikasika izany.

Fermer