PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAHAVITAN’NY ASA FANARENANA: Hahasarika mpizahatany maro ny eny Anatirova

Mbola vaovao mitana ny sain’ny maro ny fahavitan’ny eny Anatirova, izay hotokanana rahampitso, zoma 06 Novambra 2020. Ankoatran’ny famerenana ny hasin’ny vakoka sy ny fanomezan-danja ny tantara, hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny lafiny toekarena, indrindra eo amin’ny sehatry ny Fizahantany ihany koa ny fahavitan’ny asa fanarenana ny eny Anatirova, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny Minisitera misahana ny Fizahantany.

Manodidina ny telo hetsy ireo mpizahantany mitsidika an’i Madagasikara isan-taona. Ny 75% amin’ireo dia saika mandalo eto amin’ny Faritra Analamanga avokoa, araka ny fanadihadiana. Ho an’ny eto Antananarivo manokana, isan’ireo vakoka be mpitsidika indrindra ny Rovan’Antananarivo nandritra ny taona maro. Eny fa na dia tsy mbola nisy aza ny asa fanamboarana teny an-toerana. Voakasika ao anatin’izany avokoa na ireo teratany malagasy na ireo teratany vahiny. Amin’izao fanarenana sy fanatsarana ny eny Anatirova izao, milaza ny Tale misahana ny fikarohana sy ny fampiofanana eo anivon’ny minisiteran’ny fizahantany, fitaterana ary ny famantarana ny toetry ny andro (MTTM), Thierry Rasendra, fa hanatsara ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, indrindra eto Antananarivo ny fahavitan’ny asa. Azo heverina, hoy izy, fa tsy ho latsa danja amin’ireo toerana fitsidika rehetra efa misy eto Antananarivo ny eny Anatirova, aorian’ny fisokafany ho an’ny daholobe. Amin’ny ankapobeny, na aiza na aiza manerana an’izao tontolo izao, isany toerana mahasarika mpizahantany betsaka hatrany ireny toerana manan-tantara ireny, toy ny Rovan’Antananarivo. Azo heverina ho ainga vao ho an’ny fizahantany eto amintsika, noho izany, ny fahavitan’ny asa fanarenana eny an-toerana.

Hiteraka asa

Tsara marihana fa ny 13%-n’ny harikarena faobe eto amintsika miankina amin’ny sehatry ny fizahantany. Paikady mahomby hampiroboroboana ny fizahantany, noho izany, ny fanatsarana ireny toerana mahasarika mpizahantany ireny. Tanjona ihany koa ny mba ampidirana vola vahiny eto amintsika ka hisy fiantraikany mivantana amin’ny lafiny toekarena. Ankoatra izay, nanamafy ny Tale misahana ny fikarohana sy ny fampiofanana eo anivon’ny MTTM, fa hiteraka asa maro eo amin’ny sehatry ny fizahan-tany ny fahavitan’ny asa fanarenana ny Rova. Amin’ny maha toerana vaovao fitsidika ny eny Anatirova, hoy izy, dia hisy asa vaovao mivantana hiforona, ary hisy asa mifandraika amin’izany hiforona ihany koa. Tafiditra ao anatin’izany ny fampiofanana mpisera-dia vaovao indray hiasa amin’ny fampahalalana ny eny Anatirova. Eo koa ireo tanora hiasa amin’ny fikojakojana sy ny fikolokoloana ny toerana. Eo anatrehan’izany, nilaza ity tompon’andraikitra ity fa tsy maintsy hisy ny fandrindrana asa eo amin’ny Minisitera misahana ny Kolontsaina sy ny minisitera misahana ny Fizahantany, amin’ny fampahalalana ity vakoka vao narenina ity. Raha ny fitantanana ny fizahantany eto amintsika no asian-teny, tafiditra ao anatin’ny andraikitry ny ofisy rejionalin’ny fizahantany eto Analamanga (Ortana) ny fampiroboroboana ny eny Anatirova, araka ny fanazavana.

Manoloana ny zava-misy maneran-tany ankehitriny, sy ny mbola fikatonan’ny sisin-tany ho antsika eto Madagasikara, azo ambara ho tsara fahatongavana ny fahavitan’ny asa fanarenana sy ny fitokanana ny eny Anatirova, satria ny Minisitera misahana ny Fizahantany amin’izao fotoana izao, dia ao anatin’ny fanatanterahana ny paikady fampiroboroboana ny fizahantany anatiny. Izany paikady izany dia efa natomboka teto amin’ny Faritra Analamanga. Tsy ny vahiny ihany, noho izany, no andrasana amin’ny fitsidihana ity vakoka manan-danja ity, fa ireo Malagasy eto an-tanindrazana rehetra mihitsy.
Fermer