PolitikaSongadim-baovao
VELIRANON’NY FILOHA : Eny Tsimahabeomby Imerintsiatosika no hametrahana ny tanàna vaovao
Miroso ny fanatanterahana ny Velirano amin’ny fanaovana tanàna vaovao. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Minisitera Lefitra misahana ny Tanàna vaovao, hatomboka ny fanorenana ny Tanàna vaovao andrefan’Antananarivo na ilay antsoina koa hoe « Nouvelle Ville de l’Ouest » izay mahakasika ny faritra Imerintsiatosika sy Arivonimamo. Efa tafiditra tao anatin’ny vinam-panajariana ny tananan’Antananarivo ny fiitaran’ny renivohitra miankandrefana izay lehibe sy manan-danja indrindra, araka ny fanazavana. Eo Tsimahabeomby Imerintsiatosika, tanin’ny Fanjakana Malagasy izay nampiasain’ny NASA teo aloha sady tany miaramila ankehitriny, manodidina ny RAL (Régiment d’Artillerie Lourde), 26km miala an’Antananarivo Renivohitra, no hanombohana izany.
Napetraka ny takela-by
Ho fifehezana ny lafiny fananan-tany ary mba hisorohana sahady ny mety ho fanararaotana amin’ny fivarotana tany, napetraky ny Minisitera, ny alarobia teo, tao Tsimahabeomby Imerintsiatosika ireo takela-by lehibe ho fampahafantarana ny besinimaro ny faritra manodidina ny 1000Ha hanatanterahana ny tetikasa. Misy ny didim-pitondrana navoakan’ny Ministeran’ny Fanajariana ny Tany hanokafana ny fanadihadiana (enquête de commodo et incommodo) sy ny didim-pitondrana navoakan’ny Faritra Itasy mametraka izany ho faritra voatokana ho an’ny fanajariana aoriana (zone d’aménagement différé). « Noho izany, mitsahatra avokoa izay mety ho fangatahana na fivarotana na famindràna ny tany rehetra tafiditra ao anatin’io faritra io. Mihatra avy hatrany ho an’ny Fanjakana Malagasy ny zom-pialohana amin’ny fitompoan-tany (droit de préemption) amin’ny faritry ny tetikasa », hoy ny fampitam-baovao.
Ny Ministera Lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana no rafitra natao hisahana ny fandrindrana ity Tetikasan’ny Filoham-pirenena ity, iarahana amin’ireo Ministera isan-tokony voakasika amin’izany. Efa an-dalana avokoa ny fanomanana ny fanorenana izany tanàna vaovao izany, na ny mahakasika ny lalana vaovao hampitohy mivantana an’Antananarivo sy Imerintsiatosika, na ny famolavolana ny drafitra ankapobeny sy ny votoatin’ny tetikasa ary koa ireo asa fonorenana trano voalohany. Ho tafiditra ao anatin’ny tanàna vaovao ny fanorenana biraom-panjakana, trano fonenana, orinasa sy toerana famoronan-karena, toeram-pitsaboana, toeram-panabeazana, toeram-pialamboly sns.




