SamihafaSongadim-baovaoSosialy
BAKALOREA ANKAPOBENY: 45,21% ny taham-pahafahana tao Toamasina
Nivaly omaly ny fanadinana bakalorea ho an’ny faritanin’I Toamasina, araka ny fanambaran’ny avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa. Tsara ny vokatra tamin’ny ankapobeny, satria dia tafiakatra 45,21% ny taham-pahafahana, raha tsy hilaza afatsy ny sokajy ankapobeny.
Ny faritanin’I Toamasina no namoaka voka-panadinana bakalorea voalohany tamin’ity taona ity. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), dia mpiadina 10206 tamin’ireo 22 574 niatrika ny fanadinana no nahazo ny diplaoma bakalorea tany an-toerana, tamin’ny bakalorea ankapobeny. Tarehimarika izay nahafahana namoaka ny salanisa ho 45,21%. Teo amin’ny sokajy teknika kosa, nahatratra 62,04% ny taham-pahafahana ho an’ireo sokajy fampianarana teknolojika. Tetsy ankilany kosa, 47,59% ny taham-pahafahana ho an’ny Sokajy fampianarana arak’asa sy teknika. Tamin’ny ankapobeny, tsara ireo vokatra ireo raha mitaha tamin’ny voka-panadinana tamin’ny taon-dasa izay tsy nisy afatsy 33,74% fotsiny ihany ny taham-pahafahana. Raha tsiahivina, tao anaty fitaintainana sy fanahiana tanteraka ireo mpiadina sy ireo ray aman-dreny tamin’ny fotoana nanatanterahana ny fanadinana bakalorea teto amintsika, noho ny mbola nisian’ny Hamehana ara-pahasalamana teto amintsika. Tsy maintsy najaina avokoa mantsy ireo fepetra ara-pahasalamana rehetra. Hany ka tsy maintsy nitombo ireo pitsopitsony ara-panomanana, na teo amin’ny mpikarakara ny foibem-panadinana na teo amin’ireo mpiadina sy ny ray aman-dreny. Maha velom-bolo, araka izany, ny fahitana fiakarana taha tahaka izao misy any Toamasina izao. Antenaina ny hitohizan’izany fahombiazana izany any amin’ireo faritany dimy ambiny, izay mbola hiandrasana valim-panadinana.




