Politika
TSY FIVORIAN’NY SENAT: Tsy sakana amin’ny fandaniana volavolan-dalàna
Volana vitsy sisa dia ho tapitra ny fe-potoam-piasan’ireo Loholona am-perinasa ankehitriny. Midika izany fa mbola tokony hanao ireo asa sy andraikitra rehetra tokony ho ataony ireo senatera. Tsy izany anefa no zava-misy fa manao izay hampikatso ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ireo Loholona sasany. Tonga hatramin’ny tsy fanatanterahana fivoriana ara-potoana, izay ny lalàmpanorenana no mamaritra ny tokony hanaovana izany.
Hatramin’ny fiandohan’ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Parlemantera, tsy mbola nisy na dia fivoriana iray aza nataon’ny Antenimieran-doholona. Tranga izay mahagaga ny maro ihany satria ny fe-potoam-piasan’ny Loholona am-perinasa ankehitriny dia madiva ho tapitra, fa tsy mbola tapitra tanteraka akory. Midika izany fa mbola ireo senatera am-perinasa ankehitriny ireo aloha no manodina ity Andrimpanjakana ity mandrapatongan’ny senatera vaovao. Araka ny fanadihadiana, hevitra entina hanohanana izao fitokonana izao ny filazana fa tsy mbola naharay saran-dalana handehanana manatrika fivoriana izy ireo. “tsy sakana anefa izany amin’ny administration sy ny fanatanterahana ny fivoriana anefa izany”, hoy Ndremitsara tarzan, mpanao politika. Misy fitsipika mifehy, hoy izy, ireny antenimiera ireny ary tsy maintsy harahina. Tafiditra ao anatin’izany ohatra ny tsy tokony hihoaran’ny tsy fahatongavana amin’ny fivoriana mihoatra ny in-telo. Mbola notohanan’ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, ihany koa izany fanehoan-kevitra izany. Nanamafy ity mpahay lalàna ity fa misy ny fehezan-dalàna sy fitsipika anatiny mifehy ny antenimiera roa tonta. Mety hiteraka fanasaziana ho an’ny mpikambana tsy tonga mivory na tsy mandray anjara amin’ny fivoriana ny tsy fahatongavana mivory. Na izany aza anefa, tsy maintsy mandalo eny amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorena ny fampiharana ny fepetra fanasaziana. Nitsotra ity mpahay lalàna ity fa zavatra tsy mbola fahita loatra teto Madagasikara ny fisian’ny Andrimpanjakana mitokona tahaka izao ataon’ny Antenimieran-doholona izao. “Tranga vaovao ilay izy, tsy mbola misy règle mahakasika izay eto amintsika, kanefa azo dinihana amin’ny lafiny lalàna ilay izy”, araka ny nambarany.
Fandaniana volavolan-dalàna
Ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona eto amintsika dia mametraka hoe mivory ara-potoana indroa ny Antenimiera ao anatin’ny taona iray. Ka ny fivoriana ara-potoana faharoa, dia natokana handinihana mikasika ny tetibolam-panjakana ho an’ny taona manaraka. Izany hoe, natao hifidianana sy handaniana ny lalàna mikasika ny tetibolam-panjakana 2021 izay ny fivoriana ara-potoana ataon’ny parlemantera ankehitriny. Saingy tsy mahasakana ny Antenimiera tsy handinika lalàna hafa izany tokony ho dinihana izany. Manoloana ny fitokonana ataon’I Rivo Rakotovao sy ny ekipany amin’ny tsy fanatanterahana fivoriana, nitondra fanazavana mahakasika ny mety ho fandaniana ny volavolan-dalàna tokony handalo eny anivon’ny antenimera roa tonta ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana. “Rehefa lany avy eo anivon’ny Antenimieram-pirenena ilay izy dia ataon’izy ireo ny fepetra voalazan’ny lalàna momba ny fandefasana azy eny anivon’ny Antenimieran-doholona. Rehefa tsy mandinika ilay volavolan-dalàna ao anatin’ny fe-potoana voafaritry ny lalàna ny Antenimieran-doholona, dia heverina ho toy ny lany ilay lalàna. Izany hoe, tsy misy ilay navette na ilay famezivezena lalàna eo amin ‘ny Antenimiera roa tonta noho ny tsy fitovian-kevitra, fa izay lanin’ny Solombavambahoaka izany no manankery”, hoy ny fanazavany.



