Songadim-baovao
FIATREHANA NY ADY LEHIBE : Tanora malagasy analiny niady ho an’ny fahafahana
Notanterahina omaly, ny fandefasana horonantsarimihetsika fanadihadiana, nahatsiarovana ireo tanora niatrika ny ady lehibe voalohany sy faharoa. Nandray anjara feno ho an’ny tantaran’izao tontolo izao izy ireo…

Nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena omaly, ny Jly Rakotonirina Richard fa « niady ho an’ny fahafahana ho an’izao tontolo izao, ireo tanora malagasy analiny nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany sy faharoa. Marobe ireo namoy ny ainy ary tavela any ampitan-dranomasina ny nofo mangatsiakany ». Ho fanomezam-boninahitra azy ireo, nisy ny horonantsarimihetsika fanadihadiana ahatsiarovana azy ireo, nalefa tetsy amin’ny Fitaleana misahana ireo mpiady tranainy ONMAC, etsy Antsahamanitra. « Isika Malagasy dia nanana tanora nandray anjara tamin’ny ady lehibe I sy ady lehibe faharoa ireny, ary nandray anjara feno teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao sy ny fanosehana ny tsy rariny niseho tamin’izany », hoy izy. Amin’ny 11 novambra tokoa i Madagasikara dia hiaraka hankalaza ny fiafaran’ny ady lehibe voalohany miaraka amin’ireo Firenena marobe manerana izao tontolo izao, nampitondra faisana izao tontolo, tamin’ny resaka fasisma.
Hisy hatrany ny fandefasana horonantsary mahakasika izany, ady natrehan’ny tanora malagasy izany, izay hatao ao amin’ny Fitaleana misahana ireo mpiady tranainy ONMAC, ao Antsahamanitra, nanomboka omaly, ka hatramin’ny 13 novambra 2020. Hampiavaka ity fanamarihana ity, ny fanasana sy fanentanana ireo tanora malagasy hanatrika izany fotoana izany entina hampitana ny fandraisana andraikitra sy ny fahasahian’ireo zokiny nanova ny tantaran’izao tontolo izao. Raha Tiana ny mampahatsiahy fa 40.000 ireo Malagasy nandray anjara tamin’ny ady lehibe voalohany, izay niady ho an’ny fahafahana ka namiratra sy nitondra herijika nahazoana ny fandresena. Manana adidy sy andraikitra amin’ny fampafantarana ny tantara ny Tafika, mba tsy hohadinoin’ireo taranaka.




