Fanatanjahan-tena

KAOMININA RENIVOHITRA ANTANANARIVO: Hametraka fahitalavitra lehibe telo hijerena ny lalaon’ny Barea

Ho fanomezana fahafaham-po ny mpitia baolina kitra malagasy, nanambara tamin’ny fomba ofisialy, omaly, ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra fa hisy ny fampitana mivantana ny lalao hifanandrinan’ny Barea sy ny Elefantan’I Côte d’Ivoire…

Ho fitsinjovana ireo mpitia kitra eto Antananarivo renivohitra, hapetraka etsy  anoloan’ny Lapan’ny tanàna Analakely, ny Alakamisy ho avy izao, ny  fahitalavitra lehibe miisa telo, araka ny nambaran’ny Ben’ny tanàna, Andriatsitohaina Naina. Hatokana indrindra hijerena ny lalao  hifanandrinan’ny Barea sy ny Elefanta ireo fahitalavitra ireo, araka ny fanazavana. Afaka hijery maimaim-poana ny lalaon’ny Barea, noho izany, ireo mponina eto Andrenivohitra rehetra.  Hisy kosa, ny fanajana hatrany ny elanelana iray metatra sy ny fanaovana arotava mba hisorohana ny mety ho fihanaky ny aretina covid-19. Ankoatra izay, hanamafy ny fandriampahalemana eny an-toerana koa ireo mpitandro ny filaminana hisorohana ny  fanakorotanana. Hatreto, natokana ho an’ny lalao mandroso ihany ny fametrahana ireo fahitalavitra lehibe telo ireo eo anoloan’ny lapan’ny tanàna. Andrasan’ny maro, araka izany, ny hisian’ny fitaovana toy io amin’ny alakamisy io, mandritra ny lalao miverina anatin’ny fifanitsanana isam-bondrona hifandonan’ny Barea sy ny Elefanta eto amintsika, amin’ny 17 novambra ho avy izao ihany.

Hivantana amin’ny Televisionina Malagasy…

Ho fanomezana fahafam-po ny mpitia kitra sy ho mariky ny  fanohanana ny ekipam-pirenena malagasy, nanambara ny teo anivon’ny televisionina malagasy omaly,  fa afaka hanaraka ny lalao mivantana  hifandonana ny Elefanta sy ny Barea ny Malagasy rehetra maneran’ny Nosy amin’ny Alakamisy izao. Atao io fampitana mivanatana io hahafan’ny mpankafy rehetra  miaina  sy mijery mivantana ny lalao. Marihina fa amin’ny fito ora  hariva eto amintsika ny fampitana mivantana izany lalao izany. Etsy ankilany, efa betsaka ireo manamboatra fandaharam-potoana sahady amin’io Alakamisy hariva io. Ary tsy vitsy koa ireo efa mandefa teny fankaherezana sahady ny ekipam-pirenena malagasy amin’ny lalao izay hatrehina. Isany nanao izany ny mpanankanto Njakatiana omaly tao amin’ny pejy Facebook-ny. Izy izay miantso ny rehetra hiara-hirona hatrany amin’ny fanohanana ny Barea, toy izay efa natao tamin’ny Can 2019, izay nahitantsika fahombiazana.

Fermer