SamihafaSosialy

FAMERENANA FIFIDIANANA: Iharan’ny antsojay ny Ben’ny tanànan’i Tsinjoarivo Imanga

Nitolagaga sy mahatsiaro very zo tanteraka ny mponina rehetra ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivo Imanga, faritra Bongolava, distrikan’i Tsiroanomandidy, noho ny didy nivoaka teo anivon’ny Filan-kevi-panjakana, mikasika ny hamerenana indray ny fifidianana izay ho Ben’ny tanàna ao an-toerana. Naneho fisalasalana ny amin’izao zava-misy any an-toerana izao ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna ao Bongolava, izay nanao fanambarana…

Araka ny « Fitanana an-tsoratra amin’ny fotoam-pitsarana » (Extrait du plumitif d’Audience ordinaire), tamin’ny alakamisy 29 oktobra 2020, izay nivoaka tao amin’ny Filan-kevi-panjakana (Conseil d’Etat), dia foana ny didim-pitsarana mitondra ny laharana if 134/EL, ny 08 janoary 2020.  Foana amin’ny ampahany koa ny didim-pitsarana if 148/EL, tamin’ny 10 janoary 2020, izay mikasika ny fifidianana Ben’ny tanàna Kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivo Imanga, distrika Tsiroanomandidy, faritra Bongolava. Ary nodidiana ny famerenana ny fifidianana Ben’ny tanàna ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Tsinjoarivo Imanga, distrika Tsiroanomandidy faritra Bongolava, taorian’ny fandinihina ifotony ny raharaha. Manoloana io zava-misy any an-toerana io, nijoro ireo Ben’ny tanàna mpikambana ao Bongolava, ahitana ny avy ao Tsiroanomandidy sy Fenoarivobe, ary namoaka fanambarana fandavana sy fanehoana ahiahy mikasika ny raharaha. Nambaran’izy ireo fa « tsindry hazolena no natao tamin’ny Ben’ny tanàna  Jean Rémi, voafidy tao amin’io Kaominina io, ary efa hatrany am-boalohany no nahitana fandehan-javatra somary hafahafa ». Fantatra tamin’izany, fa vadina Kaomisera miasa ao amin’ny Ceni no nirotsaka hofidiana Ben’ny tanàna, izay tsy nisoratra tao anatin’ny Lisi-pifidianana tao amin’ny Kaominina, akory, raha ny filazan’izy ireo. Efa nitory tao amin’ny « Tribunal Administratif » ireo kandidà resy, ary nampiakatra ny raharaha teny anivon’ny Fitsarana ambony, ka anton’ireo didy voalaza etsy ambony. Nomarihan’izy ireo hatrany, fa tsy nisy ny zava-baovao nentina tao anatin’ny fitoriana, fa ny teo aloha ihany no naverina sy natsaraina. Tsy nahazo taratasy fiantsoana hanatrika fotoam-pitsarana koa, na ny mpisolovava na ny mpitory, fa fikononkonona tsy mazava no nitranga. « Rehefa voarain’ny mpitory, anefa, ny didy savaravina, dia iray andro monja no tao amin’ny fitsarana, izay tsy fantatra na marina na tsia, no sady efa naparitaka sahady eran’ny tanàna, ka nentina namoriana olona isam-pokontany », raha ny fanampim-panazavana.

Ben’ny tanàna lanim-bahoaka…

Ben’ny Tanana lany tamin’ny lisitra « Freedom » no hiatrika indray ity famerenana fifidianana ity, araka io didy navoakan’ny « Conseil d’État » farany teo io. Nandritra ny volana maro nitantanany ny  Kaominina niandraiketany izay, efa maro sy azo tsapain-tanana ireo asa fampandrosoana vitany, ka izao nampivoaka tamin’ny fahanginany ny fikambanan’ny Ben’ny tanàna any an-toerana izao, noho ny antsojay politika miseho ao Bongolava. Ny filaharan’ny valim-pifidianana Ben’ny tanàna tao Tsinjoarivo Imanga, no fantatra fa mahatonga izao adim-borontsiloza atao amin’ny Ben’ny tanàna Jean Rémi, izao, tamin’ny alalan’ny fitoriana natao azy. Izy mantsy no loha lisitr’ireo kandidà lany tamin’ny alalan’ny antoko Freedom. Nanaraka azy ny tsy miankina, dia ilay vadina Kaomisera ao amin’ny Ceni. Fahatelo ny Kandidà miaraka amin’ny Depiote Haja Ramaherijaona, ary farany ny avy amin’ny MMM.

Mitàna ny sain’ny maro any an-toerana ity trangana famerenana fifidianana ity.

 

Mamim-bahoaka sy olon’ny adidy…

Mambran’ny birao ao amin’ny fikambanan’ireo Ben’ny tanàna ao an-toerana i Randrianarivoson Jean Rémi, ary olona tsongon’olom-bolo sy mahafatra-po amin’ny fiaraha-miasa sy fiezahana ho an’ny kaominina izay misy azy, hatramin’ny faritra Bongolava mihitsy. Nambaran’ireo Ben’ny tanàna, fa manohintohina ny Demokrasia izao zava-misy izao, ary manaratsy endrika ny Fitondram-panjakana. Manosihosy koa ny zo maha olona. I Tsinjoarivo Imanga dia 165 km miala avy eto Antananarivo, amin’ny lalam-pirenena voalohany mankany Tsiroanomandidy, izay 45km alohany, ary Kaominina manaraka an’Ankadinondry Sakay.

Fermer