PolitikaSongadim-baovao

GUO XIAOMEL : Masoivohon’i Chine vaovao hiasa eto Madagasikara

Taorian’ny fahataperan’ny fe-potoam-piasan’I Yang Xiaorong teto amintsika, voatendry ary tonga nanatitra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara i Guo Xiaomel,  tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina no nandray azy tamin’izany. Fotoana izay nahafahan’ny roa tonta nifampidinika mahakasika ny hanatsarana ny fifandraisana eo amin’ny Madagasikara sy Chine. Anisany voaresaka ny fampiroboroboana indray ny toekarena, indrindra taorian’ny fandalovan’ny krizy ara-pahasalamana, nateraky ny Covid-19 teto amintsika. Nanome toky koa, tetsy ankilany, ity masoivoho vaovao ity fa hanatsara hatrany ny fifandraisana tsara efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta. Madagasikara rahateo efa manana ny drafitra fisandratana izay novolavolain’ny Filoham-pirenena, hahafahana mampandroso ny firenena, hoy ity tompon’andraikitra ity. Guo Xiaomel, izay mpahay lalàna. Efa tompon’andraikitra sy niasa teo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham- bahiny sinoa. Izy, araka izany no masoivohon’i Chine faha-16 hiasa sy honina eto Madagaikara. Antenaina hanamafy hatrany ny fifanankalozana efa nisy teo amin’ny firenena roa tonta.

Masoivohon’i Maurice vaovao eto Madagasikara.

Masoivohon’i Maurice vaovao

Nifanindra an-dalana tamin’izay koa, tonga nanatitra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara, tetsy amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha koa ny Masoivoho vaovaon’I Maurice, Marie Noelle Françoise. Ity farany izay manana mari-pahaizana manokana amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Efa filoha lefitra faharoan’ny parlemanta pan africain. Efa mpikambana ao amin’ny parlemanta maorisianina ihany koa, nanomboka ny taona 2000 ka hatramin’ny 2014. Ankoatra ny fanaterana ny taratasy fanendrena azy, dia nisy ihany koa ny tafa fohy nifanaovany tamin’ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, niresadresahana mahakasika ny fiarahamiasa efa nisy sy izay mbola ho avy eo amin’ny Nosy Maorisy sy Madagasikara. Ho an’ny roa tonta manokana, ny sehatry ny toekarena sy ny Kolontsaina no tena nifankalozana betsaka nandritra ny taona maro.

Fermer