PolitikaSongadim-baovao

FILANKEVITRY NY MINISITRA: Nanendry Governoram-paritra vaovao telo

“Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, Ramatoa Mamiarisoa Aline, dia voatendry ho Governoran’Amoron’I Mania, Ramatoa Nomenjahary Andre Tafita Sareine, dia voatendry ho Governoran’Ihorombe, Andriamatoa Ratsitohara Nerarivony Patrick, dia voatendry ho Governoran’I Melaky”. Io tatitry ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Governoram-paritra telo indray izany no notendrena, hanampy ireo efa notendrena rehetra teo aloha. Ny zanak’ireo faritra ireo izay efa nanao antso avo amin’ny tokony hanendrena ny Governora any amin’ireo faritra ireo mba hisitrahan’izy ireo fampandrosoana marina, mitovy amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara. Araka izany, fanantenana vaovao ho an’ny Faritra Amoron’I Mania sy Ihorombe ary Melaky indray ny fahazoana ireo Governora ireo. Taratry ny finiavan’ny Fanjakana hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy rahateo izany.

Fermer